Andininy
Protestanta Malagasy
1
Iza no toy ny hendry? Ary iza no mahalala izay anton-javatra? Ny fahendren'ny olona mahamiramirana ny tarehiny, ary voaova ny fahadontoan'ny endriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F372189-99F8-4576-87C7-0BEB1D6D308A
2
Hoy izaho: Tandremo ny didin'ny mpanjaka noho ny efa nianianana tamin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5EAD81CE-BFBE-4FA2-AAEC-BE6A79EC8144
3
Aza malaky miala eo anatrehany; aza mikikitra amin'ny fanaovan-dratsy; fa na inona na inona sitrany dia azony atao koa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E380BEF-BCED-419B-81FD-0E8A7E2E1E50
4
fa ny tenin'ny mpanjaka dia misy hery ka iza no mahazo manao aminy hoe: Inona no ataonao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC09FAE5-CF3F-438E-AFDB-32AAA493B20C
5
Izay mitandrina ny didy tsy mba mikabana amin'ny fanaovan-dratsy; ary fon'ny hendry dia mahalala fotoana sy fitsarana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|437B4D55-70D5-4E87-BB6C-8F8DA1752BBD
6
fa samy manana ny fotoany sy fitsarana azy avy ny hevitra rehetra, satria efa be ny heloky ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C655B720-6CBE-497A-B026-F6901AB3951D
7
Fa tsy mahafantatra izay ho avy izy; fa iza no hampahafantatra azy izay hihaviany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A480AA4C-8922-462E-BA55-B4E19E96752F
8
Tsy misy olona manan-kery hanatana ny ainy, na manan-kery ny amin'ny andro hahafatesana; ary tsy misy fahafahana amin'ny ady, ary ny ratsy fanahy tsy ho voavonjin'ny faharatsiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5368E3B-035A-4686-8080-FE4E98BBB5EC
9
Izany rehetra izany dia efa hitako avokoa tamin'ny nampiasako ny foko nandinika ny asa rehetra atao aty ambanin'ny masoandro. Misy andro anapahan'ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC1B77FF-AD33-47E2-8616-2EF549929A56
10
Ary tamin'izany dia hitako ny ratsy fanahy nalevina ka tafiditra; fa izay nanao ny marina kosa dia niala tamin'ny fitoeran'ny masina ka nohadinoina tao an-tanàna; zava-poana koa izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38417CD0-116C-4885-80B3-867630688E66
11
Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan'ny fon'ny zanak'olombelona amin'ny fanaovan-dratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50090527-7FF8-482B-B1CD-8C99294839F4
12
Eny, fa na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany dia fantatro kosa fa hisy soa ho an'izay matahotra an'Andriamanitra, dia izay matahotra eo anatrehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51AE7F7B-A9AB-4ACF-8B8A-0EC77DB2C7A5
13
Fa tsy hisy soa ho an'ny ratsy fanahy; fa ho toy ny aloka izy ka tsy haharitra ela, satria tsy matahotra eo an anatrehan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B2BC902-6D86-43CE-86E7-442C47A49032
14
Izao koa no zava-poana izay aty ambonin'ny tany: Misy olo-marina iharan izay tokony ho valin'ny asa ratsy; ary misy olo-meloka mahazo izay tokony ho valin'ny asa marina; hoy izaho: Zava-poana koa izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6113318-633C-421B-83AE-B5E91E7D8650
15
Dia noderaiko ny fifaliana, satria tsy misy mahasoa ny olona aty ambanin'ny masoandro afa-tsy ny mihinana sy ny misotro ary ny miravoravo, ka hisy izany amin'ny fisasarany mandritra ny andro hiainany, izay nomen'Andriamanitra azy aty ambanin'ny masoandro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0567DEE-24BD-445D-ADAC-1727C6236FD2
16
Raha nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahita ny raharaha atao aty ambonin'ny tany (fa misy tsy mahita torimaso na andro na alina),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1E549D2-F03D-41AD-B7A5-FE6DA56CE405
17
dia hitako avokoa ny asan'Andriamanitra, fa tsy takatry ny sain'ny olona ny asa atao aty ambanin'ny masoandro; koa na dia mikely aina hitady izany aza ny olona, tsy ho hitany; eny, na ny hendry aza no manao hahafantatra izany, dia tsy ho azony fantarina akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D0A1C8A-A0A4-4AF5-A5DB-AD7E2CDB5171
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany