Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fa ireto dia nalatsako tato am-poko sady nodinihiko avokoa: ny marina sy ny hendry mbamin'ny asany dia samy eo an-tànan'Andriamanitra avokoa; ary koa, na ho fitiavana, na ho fankahalana, dia samy tsy fantatry ny olombelona; fa zavatra mbola ho avy aminy avokoa izany rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB1E1069-8780-49F4-8BBC-2619ED2B87F6
2
Mitovy avokoa ny manjo ny olombelona rehetra; eny zavatra iray ihany no manjo ny marina sy ny meloka, ny tsara fanahy sy ny madio ary ny tsy madio, ny mamono zavatra hatao fanatitra sy ny tsy mamono zavatra hatao fanatitra; mitovy ihany ny amin'ny tsara fanahy sy ny amin'ny mpanota, ary ny amin'ny mianiana sy ny amin'izay tsy sahy hianiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD9B39F9-0F24-4462-A543-FC4A2BFB8A8F
3
lzao no fahoriana amin'izay rehetra atao aty ambanin'ny masoandro: Zavatra iray ihany no manjo ny olombelona rehetra,sady feno ratsy ny fon'ny zanak'olombelona, ka fahadalana no ao am-pony amin'ny andro iainany, ary nony afaka izany, dia ho any amin'ny maty izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|808DFA9B-3794-4B88-B319-CB4C8B19874D
4
Fa izay rehetra isan'ny velona dia mbola hantenaina; fa ny amboa velona no tsara noho ny liona maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8732A0F-70D6-4510-890E-05837E980A7E
5
Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05F011E1-3E7D-47B2-955B-E7A60FD4E8A8
6
Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin'izay atao aty ambanin'ny masoandro izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5E136C1-08C6-471F-A0BC-A30AABCEB929
7
Mandehana, hano amin'ny fifaliana ny haninao, ary sotroy amin'ny fo falifaly ny divainao, fa efa nankasitrahan'Andriamanitra ela ny asanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1951F0E-86D0-4EF0-83CE-A1BBAA99D9F3
8
Aoka ho fotsy mandrakariva fitafianao, ary aoka tsy ho diso menaka ny lohanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03A34667-98D3-494F-A3C1-EC8F6A0FC5DB
9
Miravoravoa amin'ny vady malalanao amin'ny andronao rehetra mandalo foana, izay efa nomeny anao aty ambanin'ny masoandro, dia ny andronao rehetra mandalo foana; fa izany no anjaranao amin'ny andro iainanao sy amin'ny fisasarana izay isasaranao aty ambanin'ny masoandro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9F269AF-01C2-4F69-9726-ABF1CC2954B5
10
Izay rehetra azon'ny tànanao atao dia ataovy amin'ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin'ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92DB272D-1C55-4B91-B25C-2DD9AA36DC13
11
Ary hitako aty ambanin'ny masoandro indray fa tsy ho an'ny haingan-tongotra ny fihoarana, ary tsy ho an'ny mahery ny ady, ary tsy ho an'ny hendry ny hanina, ary tsy ho an'ny mazava saina ny harena, ary tsy ho an'ny manam-pahalalana ny fitia; fa ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5AA3B46D-4CFD-45C1-A147-E2E8C1498539
12
Fa tsy fantatry ny olona ny androny; fa toy ny hazandrano azon'ny harato fahitan-doza izy, ary toy ny voron-kely izay voan'ny fandrika, dia voafandrika toy izany ny zanak'olombelona amin'ny andro, mahory, raha mahavoa azy tampoka izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82A702D2-8A2E-4371-9E66-C4B75DB10AA9
13
Izao koa no fahendrena efa hitako taty ambanin'ny masoandro, ka dia nataoko ho lehibe izany:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF229851-8148-43B8-8365-E52EDEBCA389
14
Nisy vohitra kely sady vitsy olona, dia avy ny mpanjaka lehibe anankiray ka namely sy nanao fahirano azy ary nanao mànda lehibe hamelezany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D763EAE-0AAC-4470-AD57-6EE785E6032F
15
Ary nisy lehilahy malahelo hendry hita teo, koa nahavonjy ny tanàna tamin'ny fahendreny ralehilahy, nefa tsy nisy olona mba nahatsiahy ilay malahelo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46546227-C226-42F8-808A-6B6393B6B007
16
Koa hoy izaho: Aleo fahendrena toy izay hery; kanjo hamavoina ny fahendren'ny malahelo, ary ny teniny tsy mba henoina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D203CA34-9798-4B0E-A726-8A24E3C48BB6
17
Ny tenin'ny hendry izay re amin'ny mangingina dia mahery noho ny fitreron'izay mpanapaka adala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6F6C806-D7CC-4BD6-AB1B-A6BC37DCEF31
18
Aleo fahendrena toy izay fiadiana; ary ny mpanota iray mahasimba ny soa be.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F2FFA40-E9B9-44F2-A23F-07837FDEB453
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany