Tononkira 1: 1-17

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ny tonon-kira tsara indrindra, izay nataon'i Solomona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA365D14-A08B-43E9-8EC3-AF74FF6A69C1
2
Enga anie ka hanoroka ahy amin'ny fanorohan'ny vavany izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DBF9D453-7F77-49F7-9969-3981FCAC7080
3
Mani-pofona ny menakao tsara, Menaka manitra voaidina ny anaranao, Koa izany no itiavan'ny zatovovavy anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|694D54B7-BE02-456A-9828-F4569720216B
4
Taomy aho, dia hihazakazaka hanaraka anao izahay; Nentin'ny mpanjaka ho ao an-efi-tranony aho. Hifaly sy hiravoravo aminao izahay; Hankalazainay mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; Fitiavana marina no itiavany anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0139010-C781-4726-8AA4-091794CD6688
5
Mivalomainty aho, nefa tsara tarehy, ry zanakavavin'i Jerosalema, Toy ny lain'i Kedara, Toy ny ambain-dain'i Solomona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3584A2E-CA12-45E0-802B-E160C79692B7
6
Aza mibanjina ahy, fa mivalomainty aho, Satria efa azon'ny hainandro; Tezitra tamiko ny zanak'ineny; Notendreny ho mpiandry ny tanimboalobony aho; Nefa ny tanimboaloboko kosa, dia ny an'ny tenako, tsy mba nandrasako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F76E5BA-54AF-433C-9ADC-CBBAE0323AAB
7
Lazao amiko, ry ilay tian'ny fanahiko izay iandrasanao ny ondrinao, Sy izay ampandrianao azy raha antoandro; Fa nahoana no ho tahaka izay mivezivezy foana aho Eny amin'ny andian'ny namanao ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FFA1517-D0E5-4B84-8471-B317CC0B6ADC
8
Raha tsy fantatrao, ry tsara tarehy indrindra amin'ny vehivavy, Dia mandehana hanaraka ny andian'ny ondry aman-osy, Ary andraso eny amin'ny lain'ny mpiandry ondry ny zanak'osinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1307FBC-C9CE-464C-B7B5-ACB79DFB5835
9
Ry tompokovavy havako, hianao dia ampitahaiko Amin'ny soavalivaviko mitarika ny kalesin'i Farao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F3E349E-5AC4-440E-B806-AC20A34FFAC8
10
Mahatsara ny tarehinao ireo voahangy voatohy; Manendrika ny vozonao ireo rado.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E36D5C8B-1B17-4B9C-A49D-0BD8AE40717B
11
Nefa rojo volamena misy voavola mibontsimbontsina kosa No hataonay ho anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B5BD9E2-786F-4659-A4AC-58E765AFF287
12
Raha mipetraka amin'ny latabany ny mpanjaka, Dia mamerovero tsara ny nardako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9C5A319-1210-42D2-992B-034F1E95AC90
13
Ny malalako dia miora am-pehezana madinika Mandry eo an-tratrako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D37A68DE-5C99-4909-BE8A-66184C744775
14
Ny malalako dia tahaka ny vonin'ny kofera amiko, Any an-tanimbolin'i En-jedy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41153E9A-3683-49ED-9951-303B9AA356AE
15
Indro, tsara tarehy hianao, ry tompokovavy havako; Indro, tsara tarehy hianao; Voromailala ny masonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A31F4107-7363-4E5C-B460-75495BD00C04
16
Indro, tsara tarehy hianao, ry malalako Eny, mahafinaritra; Maitso ny fandriantsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F16C1F6B-9C04-4C81-976C-27AD368D4F64
17
Sedera ny sakamandimbin'ny tranontsika, Ary kypreso ny peta-drindrintsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8549633-1802-4B88-B3A3-95A314EF1FA8
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany