Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izaho dia voninkazo eny an-tanety ihany Sy lilia eny an-dohasaha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F5CD932-ED64-4217-BA87-EE700A984454
2
Toy ny lilia eo aminl ny tsilo, Dia toy izany tompokovavy havako eo amin'ny zazavavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E1A00F9-8F0C-4356-B4AF-0BDCBA03DE8F
3
Toy ny hazo poma aminl ny hazo an an-ala, Dia toy izany ny malalako eo amin'ny zatovo. Mahafinaritra ahy indrindra ny mipetraka eo ambanin'ny alokalony, Sady mamy ao am-bavako ny voany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A56BEDBB-5B0F-4D2B-B1C3-9596D801AF45
4
Nentiny ho ao an-tranon-divay aho, Ary ny fanevany eo amboniko dia fitiavana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C85BBF0F-B71F-49E0-8D65-438BED81F1C9
5
Hatanjaho amin'ampempam-boaloboka aho, Ary velombelomy amin'ny poma aho, Fa mararim-pitia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9369A181-78D0-48E9-AFF2-207DACCDFABC
6
Aoka ny tànany ankavia hanondana ahy, Ary aoka ny tànany ankavanana hanohona ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3333A1D-EECD-48DF-8E34-67FF15A2918B
7
Mampianiana anareo amin'ny gazela na amin'ny dieravavy any an-tsaha aho, ry zanakavavin'i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26E31DB4-CEE2-4AB2-B0AA-C2A7C75E1662
8
Injay, ny feon'ilay malalako! Indro tamy izy. Ka miantsambotsambotra eny an-tembohitra Ary mitsambikimbikina eny amin'ny havoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8F0CE44-33C1-432D-BC83-C5D4BCEC065F
9
Ny malalako dia tahaka ny gazela na diera tanora; Indro, mijanona eo ala-tranonay izy, Mitsidika eo am-baravarankely, Manarangarana eo amin'ny makarakara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4246380-4B1D-4D2E-B16C-1D38FAE1205E
10
Niteny ny malalako ka nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF9100E0-98C4-4A63-AD83-02C3358B7100
11
Fa, indro, lasa ny ririnina, Ritra tsy misy intsony ny ranonorana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71C18149-AD92-46F9-B432-0F61BDDE97CC
12
Miposaka eo amin'ny tany ny voninkazo; Tonga ny taona fanaovam-peo fifaliana, Ary re aty amin'ny tanintsika ny feon'ny domohina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C5D14D5-9E40-43FB-A5E0-6732CFB18F3E
13
Ny aviavy mahamanitra ny voany tanora, Mamony ny voaloboka ka mamerovero tsara. Mitsangàna, ry tompokovavy havako ry tsara tarehiko, ka andeha ary!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B21C853-2EC5-45F0-8C3A-0DFD628FB3FB
14
E, ry voromailalako ao amin'ny tsefatsefaky ny harambato, Dia ao amin'ny fialokalofana amin'ny fiakarana mideza, Aoka hahita ny endrikao Sy handre ny feonao aho; Fa mamy ny feonao, sady mahafinarita ny endrikao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D80D8DDB-2411-412F-8041-78AB962837A8
15
Sambory ny amboahaolo, dia ireo amboahaolo madinika izay manimba ny tanimboaloka; Fa efa mamony izao ny voalobotsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B048DFAF-45B1-4FF4-8443-3197138C0586
16
Ahy ny malalako, ary azy aho, Dia ilay miandry ny ondriny eny ny lilia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|375561B7-B6FB-45B9-9C4A-9003031DA954
17
Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, Mitodiha, ry ilay malalako, ary aoka ho tahaka ny gazela na ny diera tanora Eny an-tendrombohitra be hantsana hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0AD27B6-6511-42F4-9B61-5D576D32734F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany