Andininy
Protestanta Malagasy
1
Teo am-pandriako nony alina dia nitady ilay tian'ny fanahiko aho; Nitady azy aho, fa tsy nahita azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38BC98CB-DAF5-491C-99F6-68ABA8EC48C1
2
Dia hoy izaho: Hifoha aho ka handeha eo an-tanàna, Dia eny an-dàlambe sy eny an-kalalahana, Hitady ilay tian'ny fanahiko. Eny, nitady azy aho, nefa tsy nahita azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|467228FA-1B5C-47D1-9D7C-2254F4A48B66
3
Hitan'ny antily izay mandehandeha eny an-tanàna aho; Dia hoy izaho: Sao mba hitanareo lahy ilay tian'ny fanahiko iny ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8BBEDEF9-0693-4892-A308-38259B6573B1
4
Nony vao nandalo ireo vetivety foana aho, Dia hitako ilay tian'ny fanahiko, Ka nohazoniko izy, fa tsy navelako handeha, Mandra-pitondrako azy ho any an-tranon'ineny, Dia any amin'ny efi-tranon'ilay niteraka ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B60984D-B320-42AC-B5CB-97F378393C35
5
Mampianiana anareo amin'ny gazela na amin'ny dieravavy any an-tsaha aho, ry zanakavavin'i Jerosalema; Aza manaitra na mamoha ny fitiavana, raha tsy efa sitrapony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C607BE58-2210-4E45-AE80-A24E9C23CA97
6
Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, Tahaka ny setroka mitankosina, Sady tsara fofona amin'ny miora sy ny ditin-kazo mani-pofona Mbamin'ny vovoka manitra samy hafa entin'ny mpandranto ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71DCB402-3934-4768-934D-6A32149FBD6B
7
Indro ny filanjan'i Solomona! Lehilahy enim-polo, mahery avokoa, Avy amin'ny lehilahy mahery amin'ny Isiraely, no manotrona azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F00A2E1-8238-4573-A682-ED623A044A9B
8
An-tsabatra avokoa izy rehetra sady mahay miady, Samy mitondra ny sabany eo am-balahany avy Noho ny tahotra amin'ny alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D8A7920-8AB9-4D93-8FAA-A2B7F21140DA
9
Nanao filanjana ho azy Solomona mpanjaka Tamin'ny hazo avy any Libanona:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFEF1AA6-81C8-497A-9254-FA56F0301ECF
10
Volafotsy no nataony andriny,Ary volamena ny fiankinana, volomparasy ny ondany, Ny ao anatiny voaravaka amin'ny fanomezam-pitiavana Avy tamin'ny zanakavavin'i Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C976163A-6B3D-4D9A-AB88-8E84CEDCB3CC
11
Mivoaha, ry zanakavavin'i Ziona, Ka mijere an'i Solomona mpanjaka, Misatroka ilay satroboninahitra nasatro-dreniny azy Tamin'ny andro nampakarany vady, Dia tamin'ny andro nifalian'ny fony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8F3022C-8F8E-4AFE-B72B-1E10151B6B62
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany