Andininy
Protestanta Malagasy
1
Endrey, tsara tarehy hianao, ry tompokovavy havako! Endrey, tsara tarehy hianao! Ny masonao dia voromailala eo amin'ny fisalobonanao; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, Izay mandriandry eny an-kilan'ny tendrombohitr'i Gileada.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B6C450C-3500-4564-9D02-40B4EC3D9DA8
2
Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany efa voahety, Izay miakatra avy eo amin'ny fampandroana; Samy kambana avy ireo, Fa tsy misy tsy mana-namana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85FEE7C1-8A30-4040-B438-CE3DD4931657
3
Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao, Ary mahafinaritra ny vavanao; Tahaka ny hasin'ampongabendanitra ny takolakao Eo amin'ny fisalobonanao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3B43362-8541-4560-9B09-01251D9C013B
4
Ny vozonao dia tahaka ny tilikambon'i Davida, Natao ho trano fihantonam-piadiana; Ampinga arivo no voahantona eo, Dia ny ampinga rehetra an'ny lehilahy mahery.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|000B1BBB-3678-40CE-A8DC-17964EE3282F
5
Ny nononao roa dia toy ny diera kambana mbola tanora, Izay homana eny amin'ny lilia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3AFD670-183D-480B-8DB9-1B54DF9C8CDB
6
Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, Dia handeha aho ho any amin'ny tendrombohitry ny miora Sy ny havoan'ny ditin-kazo mani-pofona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E44CA566-BEB2-424B-A734-33A3F0658968
7
Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako; Tsy misy kilema hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F138DFCD-B381-4896-B136-C098C38C73B6
8
Hiaraka amiko avy any Libanona hianao, ry ampakariko, Eny, hiaraka amiko avy any Libanona, Hitazana eny an-tampon'i Amana, Eny an-tampon'i Senira sy Hermona, Eny an-davaky ny liona, Eny an-tendrombohitry ny leoparda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|815E6ABC-06F0-45B6-A302-F41391AAF16E
9
Efa lasanao ny foko, ry havako ampakariko, Efa lasanao ny foko tamin'ny masonao an-ila Sy tamin'ny rojo anankiray amin'ny vozonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D215A5B-3439-48F0-ACF8-D9CC700BD38A
10
Akory ny hatsaran'ny fitiavanao, ry havako ampakariko! Akory ny hatsaran'ny fitiavanao! eny tsara noho ny divay! Ary ny fofon'ny menaka manitrao dia mihoatra noho ny zava-manitra rehetra!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09361983-F159-431E-94BE-2B37770ED86B
11
Mitete tantely toy ny avy amin'ny tohotra ny molotrao, ry ampakariko; Tantely sy ronono no ao ambanin'ny lelanao, Ary ny fofon'ny fitafianao dia tahaka ny fofon'i Libanona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A755B12-92AA-4C68-B30A-8F7A9EF466EA
12
Saha voahidy ny havako ampakariko, Loharano voahidy, fantsakan-drano voaisy tombo-kase.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4380800D-CFB3-4487-8790-0C664BB1B6F0
13
Hianao no saha anirian'ny ampongabendanitra tsara voa, Sady misy kofera sy narda,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2B4D9D0-EE9D-4811-A88E-C5E61AEF70EB
14
Eny, narda sy safrona, Veromanitra sy havozomanitra Sy ny hazo misy ny ditin-kazo mani-pofona rehetra. Miora sy hazo manitra Mbamin'ny zava-manitra tsara rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8BF97795-0DB4-4211-BA7B-5559DED65FEB
15
Loharano ao an-tanimboly hianao, Loharano miboiboika, Ary renirano kely avy any Libanona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8C30596-434B-430B-9985-ED6DCDA7F72A
16
Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra; avia, ry avy any atsimo, Mitsofa eny an-tsahako hielezan'ny fofony manitra. Aoka ny malalako hankaty an-tanimboliny Ka hihinana ny voankazony tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E90F479-F0C1-49F0-B1AB-702345FEA649
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany