Andininy
Protestanta Malagasy
1
Endrey, tsara tarehy hianao, ry tompokovavy havako! Endrey, tsara tarehy hianao! Ny masonao dia voromailala eo amin'ny fisalobonanao; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, Izay mandriandry eny an-kilan'ny tendrombohitr'i Gileada.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B6C450C-3500-4564-9D02-40B4EC3D9DA8
2
Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany efa voahety, Izay miakatra avy eo amin'ny fampandroana; Samy kambana avy ireo, Fa tsy misy tsy mana-namana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85FEE7C1-8A30-4040-B438-CE3DD4931657
3
Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao, Ary mahafinaritra ny vavanao; Tahaka ny hasin'ampongabendanitra ny takolakao Eo amin'ny fisalobonanao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3B43362-8541-4560-9B09-01251D9C013B
4
Ny vozonao dia tahaka ny tilikambon'i Davida, Natao ho trano fihantonam-piadiana; Ampinga arivo no voahantona eo, Dia ny ampinga rehetra an'ny lehilahy mahery.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|000B1BBB-3678-40CE-A8DC-17964EE3282F
5
Ny nononao roa dia toy ny diera kambana mbola tanora, Izay homana eny amin'ny lilia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3AFD670-183D-480B-8DB9-1B54DF9C8CDB
6
Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, Dia handeha aho ho any amin'ny tendrombohitry ny miora Sy ny havoan'ny ditin-kazo mani-pofona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E44CA566-BEB2-424B-A734-33A3F0658968
7
Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako; Tsy misy kilema hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F138DFCD-B381-4896-B136-C098C38C73B6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany