Andininy
Protestanta Malagasy
1
Nankaiza ny malalanao, Ry tsara tarehy amin'ny vehivavy ? Nivily nankaiza ny malalanao ? Mba hiarahanay aminao hitady azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED07C080-67B0-40C8-9A09-335858449381
2
Lasa nidina ho any an-tsahany ny malalako, Dia any amin'ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, Hiandry ny ondriny eny amin'ny tanimboly sy hioty ny lilia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC21DDB6-F0E7-4F13-A660-476B9C684C60
3
An'ny malalako aho, ary ahy ny malalako, Dia ilay miandry ny ondry andiany eny amin'ny lilia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F95F6939-785B-4828-91E7-A8DBEBB1178B
4
Tsara tarehy tahaka an'i Tirza hianao, ry tompokovavy havako, Eny, tsara tarehy tahaka an'i Jerosalema, Mahatahotra toy ny antokon'ny miaramila mitondra faneva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE799E85-3AE4-4F85-BD8F-EDD18606CFA3
5
Avilio ny masonao tsy hijery ahy, Fa mampiontanantana ny foko izy; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany,Izay mandriandry eny ankilan'i Gileada.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD40D91F-6751-4E82-B7AA-9EC68F80259C
6
Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany, Izay miakatra avy eo amin'ny fampandroana; Samy kambana avy ireo, Fa tsy misy tsy mana-manana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|321AC1A6-1A85-45A3-82B1-D9F341575CDF
7
Tahaka ny hasin'ampongabendanitra ny takolakao Eo amin'ny fisalobonanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D1CC47E-902F-404B-A540-3844EBFD6244
8
Misy mpanjakavavy enim-polo Sy vaditsindrano valo-polo Ary zatovovavy tsy hita isa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED623261-A0D0-458B-88C9-FE634DD72D6B
9
Fa iray monja kosa no voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, Vavy tokan-dreniny Sady tsongaina amin'izay naterany. Ny zazavavy nahita azy ka nanao azy ho sambatra. Eny, ny mpanjakavavy sy ny vaditaindrano, ka nidera azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|375ACB0C-4B97-412D-A6FE-59A386CECC90
10
Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina, Izay tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro Sady mahatahotra toy ny antokon'ny miaramila mitondra faneva ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDF8B51E-1FB0-40C5-B34E-59952984567B
11
Lasa nidina nankany an-tsaha tsara hazo aho, Hijerijery ny zava-maitso an-dohasaha, Hizaha raha mitsimoka ny voaloboka Sy mamony ny ampongabendanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFC1202B-4820-40E4-B6F2-2A77E1B30F77
12
Tsy nampoiziko ny nanandratan'ny fanahiko ahy Ho eo amin'ny kalesin'ny fireneko be voninahitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D98DDBF1-6024-4F17-AF6C-A544956FC895
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany