Andininy
Protestanta Malagasy
1
Miverena, miverena, ry Solemita; Miverena, miverena, mba hijerenay anao. Inona no hitanareo amin'ny Solemita ? Dihy tahaka ny an'i Mahanaima.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0053EEB2-6AB6-410F-A3DE-3B8D5339EA82
2
Endrey! mahate-hijery ny famindran'ny tongotrao mikiraro, ry zazavavy zanak'andriana! Dia tahaka ny firavaka ny amboampenao, Nataon'ny tànan'ny mahay zavatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE8AB9B7-4321-47D7-94A8-5015954F6D87
3
Ny foitrao dia tahaka ny tomaboha kivorivory; Tsy ho diso divay noharoharoan-java-manitra anie izy! Ny kibonao dia tahaka ny vary tritika voatoby Sady voaravaka lilia manodidina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3022368-1CBB-4C29-ACAF-83A1F2297503
4
Ny nononao roa dia tahaka ny gazela kambana mbola tanora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8183E534-098D-488D-9492-F7F2E717AE18
5
Ny vozonao dia tahaka ny tilikambo ivory; Ny masonao dia tahaka ny kamory any Hesbona, Dia eo am-bavahadin'ny tanàna be olona; Ny oronao dia tahaka ny tilikambo any Libanona, Izay manandrify an'i Damaskosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58C9F94D-007D-48F0-98E8-BA57E79655CD
6
Ny lohanao dia tahaka an'i Karmeia, Ary ny volon-dohanao milantolanto dia somary volomparasy. Voatanan'ny volo olioly ny mpanjaka!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|298FAE75-199A-453C-829D-73A09933945A
7
Endrey! tsara tarehy sady mahafinaritra hianao, Ry malala, amin'izao zava-mahafinaritra rehetra izao!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6AE73B32-3C76-483F-8DAE-C336A282BB50
8
Izato tsangananao dia tahaka ny rofia, Ary ny nononao dia tahaka ny sampahony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CE41241-DAD8-4153-8006-F50C1F197FA5
9
Hoy izaho: Hananika ny rofia aho Ka handray ny rantsany; Ary aoka ny nononao ho toy ny sampahom-boaloboka amiko, Ary ny fofonainao ho tahaka ny an'ny poma,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10E5C0A1-E7E9-489A-867D-DDA80CA21B36
10
Ny vavanao dia toy ny divay tsara, Eny, divay mikorotsaka mora eo an-tendan'ny malalako Sady miditra misononoka amin'ny molotry ny matory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF1CDFFC-76A5-420F-B073-EB7FE6C8C55B
11
An'ny malalako aho, Sady manina ahy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F4BE070-6558-4A28-A8D9-9B9AB32D9400
12
Avia, ry malalako, aoka handeha ho any an-tsaha isika; Andeha handry any ambani-vohitra isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E999BDD0-D73A-4110-9631-30DCC783D682
13
Dia aoka hifoha maraina koa ho any antanimboaloboka isika; Aoka hizahantsika raha mitsimoka ny voaloboka, Sy mivelatra ny voniny, Ary mamony ny ampongabendanitra; Any no hanehoako ny fitiavako anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A23FFA7-09F4-4DD4-937E-6E776B494E83
14
Mamerovero tsars ny dodaima, Sady ao am-bavahadintsika misy voankazo tsara samy hafa, Na ny vao na ny ela: Efa notehiriziko ho anao izany, ry malalako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1822B90-E827-4558-8732-9988B74B23BA
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany