Tononkira 8: 1-14

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Enga anie ka ho tahaka ny anadahiko, izay ninono an'ineny, hianao! Dia ho nahita anao teny ala-trano aho ka ho nanoroka anao. Eny, tsy ho azon'olona notevatevaina aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F0EA38D-274D-43D0-BCFF-DD3BA48D9F0D
2
Dia ho entiko ka hampidiriko ho ao an-tranon'ineny hianao, Ary hampianarinao aho; Hampisotroiko divay noharoharoan-javamanitra mbamin'ny ranon'ampongabendanitro hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CF5B9AD-CDE6-48A4-AB47-25F7D3FB73A2
3
Aoka hanondana ahy ny tànany ankavia, Ary aoka hanohona ahy ny tànany ankavanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|009330F4-8756-43CB-ABB8-3A2CFA9A4D3F
4
Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin'i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|547A278D-3547-4872-938B-7A116CCA0275
5
Iza moa iry vehivavy miakatra avy an-efitra, Mitehina amin'ny malalany ? Teo ambanin'ny hazo poma no hazako anao; Teo no niterahan-dreninao anao, Eny, teo no nahararian'ilay niteraka anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DBE32924-1517-44DB-BF83-D2A7AAD86CCC
6
Ataovy toy ny fanombohan-kase ao ponao aho Sy toy ny fanombohan-kase eo an tsandrinao; Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, Masiaka tahaka ny fiainan-tsi-hita fahasaro-piaro; Ny lelafony dia lelafo midedadeda, Eny, lelafon'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7EACFB4-6AA3-4321-9256-D726DC98C8E6
7
Na dia ny ony maro aza tsy mahavono ny afon'ny fitiavana, ary ny renirano tsy mahapaoka azy; Na dia misy olona manome ny fananany rehetra ao an-tranony aza hamidy fitiavana, Dia hatao tsinontsinona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C2A44C3-2E1D-4036-AB36-BBFECE6BE829
8
Manana zandrivavy tsy mbola misy izahay; Ahoana no hataonay amin'ny zandrivavinay, Raha mby amin'izay andro hangatahan'olona azy ho vady ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B386400-1087-445E-B581-5ED797D0DDB7
9
Raha manda izy, Dia hanangananay tilikambo volafotsy eo an-tampony; Fa raha varavarana kosa izy, Dia hotampenanay hazo fisaka sedera.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|667825BC-7E59-46B5-8178-8A53E3E709BA
10
Mànda aho, dia toy ny tilikambo ny nonoko. Raha eo imasony dia toy ny efa mahita soa aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D10913C7-FCA5-4487-BC43-15D34FCBD7D0
11
Solomona nanan-tanimboaloboka tao Bala-hamona; Nahofany tamin'olona mpiandry voly ny tanimboaloboka, Ka samy tsy maintsy mitondra sekely volafotsy arivo ho solon'ny vokatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11D3C94A-28C0-4870-B5DD-931CD4E4723D
12
Ny tanimboaloboko, eny, ilay an'ny tenako, dia eto anatrehako, Ny arivo kosa dia anao, ry Solomona, Ary ny roan-jato ho an'izay mpiandry voly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E829376B-CCA4-4475-8F36-90D7A11CA570
13
Ry mitoetra eny an-tsaha! Te-hihaino ny feonao ireo namako; Mba ampandreneso izany koa aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E15A0210-9700-4DA7-9089-3925A99B2B7C
14
Mandosira, ry malalako, Ary aoka hianao mba ho toy ny gazela na ny diera tanora Eny an-tendrombohitry ny zava-manitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E668556-A2FE-4FA6-8277-FFFE69381BD0
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany