Isaia 1: 19-31

Andininy
Protestanta Malagasy
19
Raha manaiky sy mankatô ianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin'ny tany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CDDE34E-F068-4EA4-8DE6-85D4EAE3BE62
20
Fa raha mbola mandà sy miodina ihany ianareo, Dia ho lanin'ny sabatra: Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6EA5F0D4-2A44-4C05-87E4-0682FF86D12E
21
Indrisy! tonga janga ity tanàna mahatoky Izay feno ny rariny taloha Sady nitoeran'ny fahamarinana, Fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DABD3B6-2049-4B62-AE5C-FDAE770DE04C
22
Ny volafotsinao efa tonga tain-drendrika; Ny divainao efa voatsatso rano;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCFA1FB9-5863-442C-A265-A864F3D45369
23
Ny lehibenao dia mpiodina sady naman'ny mpangalatra; Samy tia kolikoly sy fatra-nitady tambitam-by avokoa izy rehetra; Ny kamboty tsy mba omeny rariny, Ary ny adin'ny mpitondratena tsy avelany ho entina eo anatrehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1414337E-DBD7-47BE-AC0F-F0918BAF323B
24
Ka dia hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Ilay Maherin'ny Isiraely: E! hiala fo amin'ny mandrafy Ahy Aho Ary hamaly ny fahavaloko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D58097D-8EE9-4EB2-A5B7-BD6820C650E1
25
Dia hamerina ny tanako ho aminao Aho, Ka hodioviko amin'ny lavenona* ianao hahafahan'ny tain-drendrikao, ary hesoriko ny firaka rehetra aminao.[Heb. sirahazo]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D553B476-B94C-4F49-88E3-7BA7A1F9BACF
26
Dia hampodiko ho toy ny teo aloha ny mpitsaranao, Ary ny mpanolo-tsainao ho toy ny tamin'ny voalohany; Ary rehefa afaka izany, ianao dia hantsoina hoe: Tanànan'ny fahamarinana, Tanàna mahatoky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37A73DC0-8DBF-4E50-8049-CBA5EF87DDDA
27
Ziona havotana amin'ny fitsarana, ary izay efa mibebaka* ao dia havotana amin'ny fahamarinana;[Heb. miverina]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3D95615-2F12-412E-8C80-7BE3182A671A
28
Ary samy haringana avotoa ny mpiodina sy ny mpanota, Eny, ho lany ritra izay mahafoy an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|628DB798-23B0-472B-BE7E-A778AFBF4469
29
Fa hahazo henatra ianareo* noho ny amin'ny hazo terebinta izay nifalianareo, ary hangaihay ianareo noho ny amin'ny saha izay natokanareo.[Heb. izy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27B0BE40-68D8-4DFB-80BE-51979AC8E495
30
Fa ho tahaka ny hazo terebinta malazo ravina ianareo, Sy ho tahaka ny saha tsy misy rano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB7D06D7-5B39-4935-B954-8BE34B0B00DA
31
Ny mahery ho tahaka ny vohavoha, Ary ny asany ho tahaka ny kilalaon'afo, Dia hiaraka hodorana izy roa tonta, Ka tsy hisy hamono ny afo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9ABAD7BD-1E2D-45FE-937E-565767F29445
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany