Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin'ny fototr'i Jese, ary hisy mitrebona avy eo amin'ny fakany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9110983-D508-4B82-9995-808DB420413B
2
Ary ny fanahin'i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin'ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin'ny fahalalana sy ny fahatahorana an'i Jehovah;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|224E6C4A-37C0-4FAE-9703-D08C51C6D37C
3
Ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an'i Jehovah, ka tsy hitsara araka ny hitan'ny masony izy, na hampiaiky araka ny ren'ny sofiny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BE17EFE-DEE3-4258-85D2-6B905A0B0538
4
Fa hotsarainy amin'ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin'ny tany; hamely ny tany amin'ny tsorakazon'ny vavany Izy, ary ny fofonain'ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92DC2BB4-D779-496B-8804-76922182775F
5
Fahamarinana no ho fisikinany, ary fanahy mahatoky no ho fehin-kibony
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|012A2FDC-7343-45D0-8A02-EB28814DE870
6
Ary ny amboadia* hiara-mitoetra amin'ny zanak'ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy; Ary ny zanak'omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, Ary ny zazakely no hiroaka azy.[lopa]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54C527A1-D056-4868-A298-C456C1433334
7
Ary ny ombivavy sy ny bera hiara-komana; Ny zanany hiara-mandry; Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3ED14221-4B1A-46C8-86AD-D80769DC05BB
8
Ny zaza minono hilalao amin'ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin'ny lavaky* ny menarana. [Na: voamason']
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4DC227C-E691-498A-99DA-D96EDB18F15B
9
Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an'i Jehovah, tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|063C82DB-55DE-45FF-A39B-CD968C917513
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany