Andininy
Protestanta Malagasy
4
dia hataonao izao oha-teny ny amin'ny mpanjakan'i Babylona izao: Hià! mitsahatra ilay mpampahory! Eny. tsy ao intsony ilay tanàna volamena! [Na: mampandoa hetra]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A6DDA56-026D-4003-85D8-A9AFF03B8B4F
5
Jehovah efa nanapatapaka ny tehin'ny ratsy fanahy. Dia ny tehina fanapahan'ny mpanapaka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C0035DC-9BEA-4154-9C74-39E7A9499749
6
Izay namely firenena tamin'ny fahatezerana, tamin'ny famelezana tsy nanam-pitsaharana, sady nampanompo firenena tamin'ny fahatezerana, tamin'ny fanenjehana tsy misy antra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0194A02D-19B7-46AE-BD0B-9C2A57AD3D32
7
Miadana ka mandry fahizay ny tany rehetra; Velominy ao ny hoby,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC2E8095-9307-46E4-AD57-90C707F94249
8
Eny, ny hazo kypreso sy ny sedera any Libanona hifaly anao hoe: Hatrizay niambohoanao izay dia tsy nisy mpikapa niakatra taty aminay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|287C8D69-2E61-46EB-8F72-F5557CA7380B
9
Taitra ny fiainan-tsi-hita* any ambany noho ny aminao mba hitsena anao amin'ny fihavianao; Mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny bibilahy** rehetra tambonin'ny tany; Aingainy hiala amin'ny seza fiandrianana ny mpanjakan'ny firenena rehetra.[*Heb. Sheola][**Heb. osilahy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B76F9481-6EE8-4689-BDF0-5FB100F78C3D
10
Izy rehetra samy hiteny aminao hoe: Hay! ianao koa mba efa osa tahaka anay! Efa tonga tahaka anay ianao!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2860F556-32DB-4CAD-B6F3-FE069AA83FC6
11
Efa navarina ho ety amin'ny fiainan-tsi-hita* ny tabihanao mbamin'ny feon'ny valihanao; Kankana no ilafihanao, ary olitra no mandrakotra anao.[Heb. Sheola]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|712756E9-B50D-45F3-AB30-CB2075954DD0
12
Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay fitarik'andro, zanaky ny maraina; Voakapa hianjera amin'ny tany ianao, ry ilay mpandripaka firenena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64236ADC-7663-4E2B-9692-66BF84D449FA
13
Ary ianao efa nanao anakampo hoe: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin'ny kintan'Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; Dia hipetraka eo an-tendrombohitra; fivoriana any am-parany avaratra aho;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75EAB6EA-BA62-480B-BE2C-A070EB6285B5
14
Hiakatra ho any ambonin'ny havoan'ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8AA23C1-4078-46F3-A252-D726AA45256D
15
Kanjo hampidinina hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita* ho any ampara-vodilavaka ianao.[Heb. Sheola]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3ABB8131-A811-4CF0-A358-7F505D5EE01C
16
Izay mahita anao hibanjina anao sy hihevitra anao hoe: Moa io va ilay lehilahy nampihorohoro ny tany sy nampihozongozona ny fanjakana
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CB67945-2EE4-4373-A498-7DAAE43A0AE1
17
Ary nanao izao tontolo izao ho efitra sy nandrava ny tanànany Ary tsy nandefa ny mpifatotra hody?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCA22326-1DB3-44B3-880B-0F43FC681C17
18
Ny mpanjaka rehetra amin'ny firenena samy mandry amin'ny voninahitra avokoa, ary samy ao am-pasany* avy;[Heb. tranony]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|661BB956-36CC-4FA4-B09D-3F45A1E87D41
19
Fa ianao kosa dia nariana niala lavitra ny fasanao, tahaka ny solofon-kazo ratsy izay ariana, sady voatsindrin'ny fatin'ny voavono ianao, dia ireo voatrabaky ny sabatra, ka midina ho ao amin'ny vato ao an-davaka, tahaka ny faty hitsakitsahin'ny tongotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|637E8864-DD50-467A-A947-E55D1193ED6A
20
Tsy halevina tahaka ireny ianao, satria efa nanimba ny taninao sady efa namono ny olonao; tsy hotononina mandrakizay ny taranaky ny mpanao ratsy!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FD46012-863B-4D3A-87A0-001B50809CEF
21
Manamboara famonoana hamelezana ny zanany noho ny heloky ny razany; tsy hitsangana hanana ny tany izy, Na hanorina tanana eran'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82B6B3D9-7746-4577-8A5B-9C6CBEFA104D
22
Fa hitsangana hamely azy aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary hofoanako ny anaran'i Babylona sy izay sao mbamin'ny zanany sy ny taranany, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5469EF9C-158E-4BB8-84D6-2E7D209C91A2
23
Ary hataoko fonenan'ny sokina sy fihandronan'ny rano izy, ary hofafako kifafa fandringanana izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16596FFF-B9B0-4B57-9F21-FDE9B11EBC35
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany