Andininy
Protestanta Malagasy
1
Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Moaba. Fa tamin'ny indray alina no nandravana an'i Ara-moaba, ka fongotra izy; Fa tamin'ny indray alina no nandravana an'i Kira-moaba, ka fongotra izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B76CFA0C-B986-431D-BAEE-7F74BBE78DA1
2
Miakatra ho ao amin'ny tempoly* sy ho ao Dibona ny olona, dia ao amin'ny fitoerana avo, mba hitomany; any Nebo sy Medeba no idradradradran'i Moaba; Mibory ny loha rehetra; Voaharatra ny somotra rehetra.[Na: ho ao Baita]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B7DC093-57AA-4C96-86F0-4D6BE12F03E3
3
Eny an-dalambe dia misikina lamba fisaonana izy; eny an-tampon-tranony sy eny an-kalalahana dia midradradradra avokoa izy, eny, mijohy ny ranomasony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59DA7096-7BF6-4EF3-A44E-10E0AE7B9625
4
Ary mitaraina Hesbona sy Elale, ka re hatrany Jahaza ny feony, ary noho izany dia miantso mafy ny miaramilan*'i Moaba, Mangovitra ny fanahiny ao anatiny.[Heb. voaomany]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AEE9EB9-BA8C-423B-8B99-A7BF540A90A9
5
Ny foko mitaraina noho ny amin'i Moaba; Ny mandositra avy ao dia tonga hatrany Zoara* sy Egleta-selisia*; fa miakatra mitomany ao amin'ny fiakarana Lohita izy sy midradradradra amin'ny famoizam-po eny an-dalana mankany Horonaima. [*Na: ny hidiny (na: ny fiarovana azy) dia hatrany Zoara][**Na: Dia ilay ombivavy kely telo taona]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57EB8C1F-C179-4C93-B6D4-FD137C8D9589
6
Fa Nimrima tsara rano dia tonga karankaina; maina ny ahitra, malazo ny zava-maniry, ka tsy misy zava-maitso intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18E8FA95-4D5A-4D6C-93C0-8091C11883D7
7
Ary amin'izany ny harena be izay nohariny ny entany izay mbola voatahiriny dia entiny ho any am-pitan'ny lohasahan-driaky ny hazomalahelo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|033BD727-FDA6-4F67-8B16-B297B8C70900
8
Fa ny fitarainany manodidina ny sisin'i Moaba, re hatrany Eglaima ny fidradradradrany Eny, re hatrany Ber-elima ny fidradradradrany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C83B69C-5DD2-4649-B4FF-465E6D403BC8
9
Fa ny ranon'i Dimona dia feno rà; fa mbola hampiako ny loza manjo an'i Dimona, dia liona handrapaka izay efa mandositra avy any Moaba, sy handany izay samin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C054338A-D62E-4EFF-808D-91A6519DAFE0
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany