Andininy
Protestanta Malagasy
1
Indro, Damaskosy, dia rava tsy ho tanàna intsony, eny, tonga korontam-bato izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FD6E449-95F2-4DC0-B1CC-8709D0627D1C
2
Efa lao ny tanànan'i Aroera ka ho an'ny andian'ny ondry aman'osy, handry ao ireo, ka tsy hisy hanaitaitra azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|813C81FE-E9F0-427E-A812-96ABDD2AAED1
3
Ary tsy hisy tanàna mimanda intsony any Efraima, na fanjakana ao Damaskosy; Ary izay samin'i Syria dia hitovy voninahitra amin'ny Zanak'Isiraely; Hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D905762-ABCD-48AC-9D42-AF8AD511AD9E
4
Ary amin'izany andro izany dia hihena ny voninahitr'i Jakoba, ary hihena ny hataviny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F089809-421F-4889-B199-C31E0AD34509
5
Ary ho tahaka ny fanangon'ny olona ny vary an-tahony amin'ny fararano izany, ka tangosan'ny sandriny ny salohim-bary; Eny, ho tahaka ny fanangon'ny olona salohim-bary eny amin'ny lohosahan'ny Refaita;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97AD0A8B-4A69-46F0-BDC8-FABAF077147C
6
Kanefa hisy shotsimponina ihany izy tahaka ny amin'ny fikapohana ny hazo oliva: Hisy voany roa na telo ao an-tendrony ambony indrindra, efatra na dimy ao amin'ny rantsan'ny hazo mahavokatra, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35F2C63B-0AA9-4A85-BE57-08ECEAA68F34
7
Amin'izany andro izany dia hanandrandra ny Mpanao azy ny olona, ary ny masony hijery ny Iray Masin'ny Isiraely,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC9E1D28-0386-4D9D-B962-EFDE028E101E
8
Fa tsy hanandrandra ny alitara, asan'ny tànany, intsony izy. Ary ny nataon'ny rantsan-tànany tsy hahoany, na ny Aseraha*, na ny tsangankazo* ho an'ny masoandro.[*Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny][**Na: tsangam-bato]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B92A4CF4-6806-4DFD-8ABF-3C08794B2DD3
9
Amin'izany andro izany ny tanànany mafy, dia ho tahaka ny tany lao any an'ala na any an-tampon-tendrombohitra Izay nilaozan'ny olona teo anoloan'ny Zanak'Isiraely, ka dia ho foana ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1B1E0BC-875C-4090-AC07-66E80927F304
10
Fa nanadino an'Andriamanitry ny famonjena anao ianao ary tsy nahatsiaro ny vatolampy fiarovana mafy ho anao, ka dia nanao voly mahafinaritra ianao ary zana-boaloboka avy amin'ny firenena hafa no nambolenao teo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA7E7B48-773A-4534-A7F8-69FF4258A1AF
11
Tamin'ny andro nambolenao azy dia nofefenao izy, ary nony maraina dia nampitsimohinao ilay nambolenao; nefa ho vokatra miavosa izany ho amin'ny andro fangirifiriana* sy fanaintainana tsy azo sitranina. [Na: Nefa ho levona ny vokatra amin'ny andro hahazoana azy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A916220-1E4C-471B-839C-02E59FE9ACC1
12
Indrisy ny fihahohahon'ny firenena maro! Izay mihahohaho tahaka ny feon'ny ranomasina! Indrisy ny firohondrohon'ny olona maro be! Tahaka ny firohondrohon'ny rano manonja ny firohondrohony!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FC017A2-2E96-4D40-88A8-F648CBA029C2
13
Eny, mirohondrohona tahaka ny firohondrohon'ny rano be ny firenena; kanefa hotezerana mafy izy, ka dia handositra lavitra ary ho lasa tahaka ny akofa eny an-tendrombohitra, raha paohin'ny rivotra, sy tahaka ny fakom-bary mitambolimbolina entin'ny tadio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8CEE60F-D7C5-4660-BE37-E1EDE5F7A2AE
14
Raha hariva ny andro, dia, injao, fampahatahorana; ary raha tsy mbola maraina akory aza, dia tsy ao intsony ireny. Izany no anjaran'izay mamabo antsika sy tambin'izay mandroba antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|982EBD16-3F4D-46D3-A670-37527F22296F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany