Andininy
Protestanta Malagasy
1
Indrisy ny tany be fibiziziokan'elatra! Izay any an-dafin'ny onin'i Etiopia,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B897D1A1-5A94-43B9-B268-9E92F111C28B
2
Izay mampandeha iraka eny ambonin'ny ranomasina, ao anaty lakan-jozoro ambonin'ny rano, ka manafatra azy hoe: Mandehana, ry iraka faingam-pandeha, ho any amin'ny firenena lava tsanganana* sady mandimandina, any amin'ny olona mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany**, dia firenena mpanao teny tsy valiana*** sady maherisetra****, izay vakin'ny ony maro ny taniny.[*Na: ela fiainana][**Na: hatramin'ny niandohany ka mandraka ankehitriny][***Na: matanjaka indindra; na: mahery mamaritra tany ho azy][****Heb. manitsakitsaka]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D86BDC6-019B-4396-90EC-6965630E6490
3
Ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao sy mpitoetra ety ambonin'ny tany! Raha misy faneva atsangana eo an-tampon-tendrombohitra, dia mijere ianareo, ary raha misy anjomara tsofina, dia mihainoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|553A82F7-2EBB-4AAB-8CD4-31B76439AA1E
4
Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko hangina Aho aloha ka hijery eto amin'ny fitoerako, raha mbola mipoaka tsara ny hainandro, ary misy* zavona** amin'ny hainandro fararano.[**Na: Toy ny hainandro mipoaka tsara sy ny][**Heb; rahon'ando]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|188D13DF-0DCC-4FB0-96E1-740AE7FE985F
5
Fa raha mbola tsy tonga ny fararano, rehefa tapitra ny fitsimohany, ka efa mby am-boany ny voniny, dia horantsanany amin'ny fanetezam-boaloboka ny rantsany, ary hotapahiny sy hesoriny ny sakeliny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF4B8DB0-3958-475E-A966-74F7B57CA77C
6
Dia hafoy avokoa izy ho an'ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an'ny biby eny ambonin'ny tany; ary ny vorona mpihaza handany fahavaratra any; Ary ny biby rehetra ambonin'ny tany handany ririnina any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6F4F48E-6BEA-4E2D-BC80-28309FA563B8
7
Amin'izany andro izany dia hisy fanomezana ho entina ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia firenena lava tsanganana* sady mandimandina, ary avy amin'ny firenena mahatahotra hatreto ka hatrany** hatrany dia firenena mpanao teny tsy valiana*** sady maherisetra***, Izay vakin'ny ony maro ny taniny ho ao amin'ny fitoeran'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia ny tendrombohitra Ziona. [*Na: ela fiainana][**Na: hatramin'ny niandohany ka mandraka ankehitriny][***Na: matanjaka indrindra; na: mahary mamaritra tany ho azy][****Heb. manitsakitsaka]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6075A89-C980-4343-B64F-F5D1482B73A9
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany