Andininy
Protestanta Malagasy
1
Indro, Jehovah mitaingina rahona miriotra mafy ka mankany Egypta; Ary ny andriamani-tsi-izy any Egypta dia mangorohoro eo anatrehany*, ary ny fon'i Egypta dia ketraka ao anatiny.[Na: mandositra azy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3374D01-9DAE-4683-A2DC-EF4EFE119998
2
Ary hamporisihiko hiady izy samy Egyptiana, ka samy hiady amin'ny rahalahiny avy sy amin'ny namany avy izy; Ny tanàna hiady amin'ny tanàna, ary ny fanjakana amin'ny fanjakana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D325D573-6C2C-4171-AA9D-1D21DCD8FB5E
3
Ary ho very hevitra ny Egyptiana; Eny, hofoanako ny saina ataony; Ary hila saina amin'ny andriamani-tsi-izy sy amin'ny mpibitsibitsika amin'ny odiny izy sy amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra ary amin'ny mpanao sikidy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77F7792B-37BD-4ABB-9D58-02C56B4A79E9
4
Ary Egypta dia hatolotro hogiazana amin'izay fitondrana mafy, ary mpanjaka masiaka no hanjaka aminy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6852D254-5412-44D9-8B8E-96C06FBA6F41
5
Ny rano amin'ny ranomasina ho tankina, ary ny ony ho ritra ka ho maina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|294D51B9-CC03-44E6-AA1B-51783A9E48D8
6
Ho maimbo ny sampantsampan'ny ony; Ary ny lahin-dranon'i Egypta* hihena ka ho maina; Ny volotara sy ny zozoro halazo; [Heb. Mazora]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C1946C2-EB74-4AD2-860B-9A2BE27F82D7
7
Ny tany eny amoron'i Neily sy ny tanimbary rehetra eny amoron'i Neily samy ho maina sy hanjary vovoka ka tsy ho eo intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20674BB6-E9C2-4680-8BD6-DCD47368E12C
8
Dia hitomany ny mpaka hazan-drano, ary hisaona ny mpamintana rehetra ao Neily, Ary ho reraka ny mpandatsaka* harato amin'ny rano.[Heb; mpamelatra]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0775635-4EEA-4696-9BAA-CE82E37D2108
9
Ho very fanantenana izay mandraotra rongony amin'ny fihogo sy izay manenona hariry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A993B58-C447-4596-9178-C9DA03373566
10
Ny andrin*'ny tany ho torotoro, ary ny mpikarama rehetra halahelo.[Na: fanorenan']
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDE19DFC-0B8C-4E9F-970B-249496E00818
11
Efa adala mihitsy ny mpanapaka any Zoana; Hevi-poana no avoak'izay hendry indrindra amin'ny mpanolotsain'i Farao; Ahoana no ilazanareo amin'i Farao hoe: Zanak'olon-kendry aho sady taranak'ireo mpanjaka fahagola?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3038EAE-15BF-4023-A810-3A28DBCAC3A2
12
Aiza ary ireo olon-kendrinao ireo? Aoka hanambara aminao izy, ary aoka ho fantany izay nokasain'i Jehovah, Tompon'ny maro, hatao amin'i Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBB51F35-F546-47E3-8248-D0CD5624840F
13
Efa adala ny mpanapaka any Zoana, efa voafitaka ny mpanapaka any Memfisa*; Ary efa nampivembena an'i Egypta ireo fehizoron'ny fireneny. [Heb. Nofa]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|864DD660-1F35-4FF0-8C57-E18094834DD3
14
Jehovah efa nampidina* fanahy mampandraingiraingy teo Egypta; ka efa nampivembena azy tamin'ny asany rehetra ireo, dia tahaka ny olona mamo miraingiraingy sady mandoa. [Heb. nangaroharo]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E8D1826-C7CF-4715-8852-ED786DD1BC68
15
Samy tsy hahatontosa ny asany ny Egyptiana, na ny loha na ny rambo, na ny sampan-drofia* na ny zozoro. [palma]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23A5B7E5-95D5-4718-B5A1-E3E2556630F2
16
Amin'izany andro izany dia ho tahaka ny vehivavy Egypta ka ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra noho ny faninjitr'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny tànany, izay ahinjiny hamelezany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13E9A1E7-EEAC-45D5-A630-8E60F99A00C0
17
Ary ny tanin'ny Joda dia ho fahatahoran'i Egypta, ka na oviana na oviana no misy miresaka izany aminy dia ho raiki-tahotra izy noho ny fikasan'i Jehovah, Tompon'ny maro, izay kasainy ny amin'ny hamelezana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A57B0FEA-B320-49FE-B8B1-2546FE0CC247
18
Amin'izany andro izany dia hisy tanana dimy amin'ny tany Egypta samy hiteny ny fitenin'i Kanana sy hianiana ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro; Ny anankiray hatao hoe Ira-haresa*. [Ira-haresa = Tanàna haringana, na Tanànan'ny masoandro]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78A904AF-D98B-483D-90C3-B5D92631F218
19
Amin'izany andro izany dia hisy alitara ho an'i Jehovah eo amin'ny tany Egypta sy tsangam-bato eo an-tsisiny ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BE23128-DDC7-4A1F-84CE-540E5CE3F697
20
Ary ho famantarana sy vavolombelona ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, ao amin'ny tany Egypta izany; Fa hitaraina* amin'i Jehovah noho ny mpampahory izy, ary haniraka mpamonjy sy mpiaro ho ao aminy Izy ka hamonjy azy. [Na: ary izao no ho famantarana sy vavolombelona, etc.: Raha mitaraina]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B298F661-E65B-46E5-8243-7F2A25EBD55B
21
Ary Jehovah hanao izay hahafantaran'ny Egyptiana Azy, ary ny Egyptiana kosa hahalala an'i Jehovah amin'izany andro izany; Dia hanompo Azy amin'ny fanatitra alatsa-drà sy amin'ny fanatitra hohanina izy ka hivoady amin'i Jehovah sady hanefa ny voadiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|799870B2-559D-4BBD-A3E0-D4C8AFE6E9AF
22
Ary Jehovah hamely ny Egyptiana, eny, fa sady hamely Izy no hanasitrana; Dia hiverina ho any amin'i Jehovah ireo, ka hekeny ny fangatahany, ary hositraniny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54249372-D811-4783-A2F1-62E5B4FB1BAF
23
Amin'izany andro izany dia hisy lalambe avy any Egypta mankany Asyria, koa ny Asyriana dia hankany Egypta, ary ny Egyptiana kosa hankany Asyria, ary ny Egyptiana sy ny Asyriana hiara-mivavaka*. [Heb. hiara-manompo]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F40BE9A4-4156-4029-AB80-EFC501001A8C
24
Amin'izany andro izany ny Isiraely no ho fahatelony amin'i Egypta sy Asyria ho fitahiana eo amin'ny tany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78D3CEB4-753E-4187-A592-90F3DD2D90EB
25
Fa hotahin'i Jehovah, Tompon'ny maro, ireo ka hataony hoe: Hotahina anie Egypta oloko, sy Asyria, asan'ny tanako, ary Isiraely lovako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38626BA4-DCC1-4ED6-8797-F2CF08C1D040
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany