Andininy
Protestanta Malagasy
1
Tamin'ny taona nankanesan'i Tartana tany Asdoda, raha nirahin'i Sargona, mpanjakan'i Asyria, izy ka namely an'i Asdoda ary nahafaka azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9EA1FFE1-31B8-4C28-A430-D643A5412C5F
2
tamin'izany andro izany no nampitondran'i Jehovah teny an'Isaia, zanak'i Amoza, hoe: Andeha, borahy ny lamba fisaonana ho afaka amin'ny valahanao, ary esory ny kiraronao hiala amin'ny tongotrao. Dia nanao izany izy ka nandeha tsy nitafy sady tsy nikiraro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16C4818F-5A27-4675-9218-F9CE3320A815
3
Ary hoy Jehovah: Tahaka ny nandehanan'Isaia mpanompoko telo taona sady tsy nitafy no tsy nikiraro mba ho famantarana sy ho fahagagana ny amin'i Egypta sy Etiopia,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CE25E55-1B79-45CE-9BAF-90A000EFBB59
4
dia ho toy izany no hitondran'ny mpanjakan'i Asyria ny Egyptiana ho babo sy ny Etiopiana ho sambotra, na tanora na antitra, samy tsy hitafy sady tsy hikiraro no tsy hisarom-pe, ho henatr'i Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4E97634-420E-4964-8492-669A60BB3DE4
5
Ary ho raiki-tahotra sy ho menatra ny Isiraely* noho ny amin'i Etiopia fanantenany sy Egypta reharehany.[Heb. izy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E151D4E-DF2F-47CF-A98A-2964AB133B1D
6
Ary amin'izany andro izany ny mponina ety amoron-dranomasina dia hanao hoe: He! ity manjo ilay nantenaintsika sady nandosirantsika ho famonjena antsika ho afaka amin'ny mpanjakan'i Asyria! Aiza intsony re no handosirantsika?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DA6B6B8-127A-4AA3-9DA4-5E9D1494D1EE
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany