Andininy
Protestanta Malagasy
1
Faminaniana ny amin'ny loza hanjo ny Efitra Ranobe*. Tahaka ny firimorimon'ny tadio any atsimo no fihaviny avy any an-efitra, dia avy any amin'ny tany mahatahotra.[Heb. Ranomasina]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9AB35868-D903-4BB4-B83A-1C164BE8ECEB
2
Misy fahitana mampahory naseho tamiko: Ny mpamitaka mamitaka, ary ny mpandringana mandringana. Iakaro, ry Elama ô! ekeo, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0301DCAD-B109-4ACD-BE2A-855D5E1FCC6C
3
Ary raha nahita izany aho, dia feno fanaintainana ny valahako; Fijalijaliana no nahazo ahy tahaka ny fijalijalian'ny vehivavy raha miteraka; Niolanolana fatratra aho ka tsy nandre izany; Toran-kovitra aho ka tsy nahita izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1880F208-4842-4514-8491-ABCC4BEF0D58
4
Niemponempona ny foko, nampahatahotra ahy ny horohoro; Ny hariva fahafinaretako nampodiny ho fangovitako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4657EAB-02E1-4051-8593-213CB4AEDC02
5
Velarina ny latabatra, miambina* ny mpiambina, mihinana sy misotro ny olona mitsangàna, ianareo lehibe, ka hosory ny ampinga![Na: velarina ny tsihy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|989BEFB3-F3D6-4AF1-A2DB-09A7A6032C06
6
Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Mandehana, manendre tily; Ka izay hitany no aoka holazainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD0C434D-6B80-4360-B905-A9A7282C688E
7
Dia nahita izy ka indreo mpitaingina manao andiany mandeha tsiroaroa sy boriky andiany ary rameva andiany. Ary nihaino izy, eny, nihaino dia nihaino;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|242F5FD8-2775-4BF4-AD68-900015FD74E4
8
Dia niantso nanao feon-diona izy ka nanao hoe: Tompo ô! izaho mijanona mandrakariva eto ambonin'ny fitazanako nony antoandro, Ary mitoetra eto amin'ny fiambenako aho mandritra ny alina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0DE907EB-455C-4DD6-9F5D-82E22AA0EBF6
9
Koa, indreo, avy ny olona an-diany, mpitaingina mandeha tsiroaroa; Ary nanandratra ny feony izy ka nanao hoe: Rava, rava Babylona! Ary ny sarin*'ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin'ny tany.[Heb. sarin-javatra voasokitra]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E3D83C8-F99F-422C-B281-77D894E30AE4
10
Ry ahy voavely toy ny vary teo am-pamoloako ô*! Izay efa reko tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no nambarako taminareo.[Heb. zanaky ny famoloako]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FAC0DAC2-E766-4F4A-B3B7-9020702D6E77
11
Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Edoma*. Misy miantso ahy any Seira manao hoe: Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao ? Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao? [Heb. Doma]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F83E4AB7-D069-4395-87F6-035AC03573DD
12
Dia hoy ny mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny alina; Raha mbola ta-hanontany ianareo, dia manontania ihany; ka avia, miverena*. [Na: avia indray]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A52D397E-9D4D-4F10-9458-77FF49C5BD5C
13
Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Arabia. Any an'ala any Arabia no andrianareo, ry andian'ny Dedanita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A8F9FBE-60D9-4C95-9EC2-B19317FE2CB8
14
Itondrana rano ny mangetaheta; Ny mponina amin'ny tany Tema mitsena hanina ny mandositra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA675B5C-BA7F-45DF-96C9-FB5DEA143958
15
Fa mandositra ny sabatra ireo, dia ny sabatra voatsoaka sy ny tsipìka voahenjana ary ny havesatry ny ady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D884E5A7-117C-456B-BFFA-ED0BF22E02A3
16
Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Ato anatin'ny herintaona, tahaka ny taonan'ny mpikarama, dia ho levona avokoa ny voninahitr'i Kedara;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F749C20E-1200-408B-A733-8A3EB6217F8C
17
Ary ny tsipìka sizay; an'ny lehilahy mahery, taranak'i Kedara, dia ho vitsy foana, fa Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ao efa niteny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5AB7216-F969-4F53-8DCD-9E7F732DD159
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany