Andininy
Protestanta Malagasy
1
Faminaniana ny amin'ny lohasahan'ny Fahitana. Inona re izato manjo anareo*, no dia miakatra eny an-tampon-trano avokoa ianareo**, [*Heb. anao][**Heb. ianao]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B79112E6-28EE-46AC-BCA7-E18E612E8979
2
Ry ilay be horakoraka, tanàna be tabataba, vohitra miravoravo? Ny faty eo aminao dia tsy mba novonoin-tsabatra, na maty an'ady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1027D4D2-D504-49E5-8621-3657F7D0A373
3
Niara-nandositra ny lehibenao, nafatotra tsy amin-tsipìka izy; Izay rehetra hita tao aminao dia niara-nafatotra, na dia nitady handositra lavitra aza. [Na: Nafatotry ny mpandefa zana-tsipìka]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6C6B45C-24DC-466C-A588-6668C316C518
4
Koa izany no anaovako hoe: Mihodina tsy hijery ahy, fa hitomany mafy dia mafy aho; Aza dia fatra-pampionona ahy noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A21186DF-ED2A-4CB4-A315-CB323B745F72
5
Fa ao amin'ny lohasahan'ny fahitana dia misy andron'i Jehovah, Tompon'ny maro, andro fitabatabana sy fanosihosena sy fahaverezan-kevitra, ary fandravana ny manda sy fidradradradrana manako hatrany an-tendrombohitra
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F1F5F51-8F16-49C2-AD8D-BC9E7E1D01A2
6
Ary Elama mitondra ny tranon-jana-tsipìka mbamin'ny kalesy misy olona sy ny mpitaingin-tsoavaly; Ary Kira manaisotra ny fonon'ampinga
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6477F6FB-47CF-40FE-8EF3-D75AC6468CDD
7
Izay tsara indrindra amin'ny lohasahanao dia feno kalesy, ary ny mpitaingin-tsoavaly milahatra eo am-bavahady
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD3130A8-C64C-487F-B1AF-3FA1B197A185
8
Dia alana ny fisalobonan'i Joda, ary mijery ny fiadiana ao an-Tranoala ianao amin'izany andro izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83888F79-A40E-40AB-922F-3F8CCC6D3859
9
Ary hilanareo fa banga be ihany ny tanànan'i Davida; Ary mamory ny rano avy amin'ny kamory ambany ianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8BA8254A-35B7-4FE5-8131-7AD9AD15F8DB
10
Isainareo ny trano any Jerosalema, ka dia ravanareo ny trano ho enti-manamafy ny manda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A511722-F1F7-4EDB-8509-691B7BAAC0F2
11
Mihady lavaka famorian-drano eo anelanelan'ny manda roa ianareo halenan ny rano avy amin'ny kamory ela; Kanefa tsy mijery Izay efa nanomana izao zavatra izao ianareo, na mahita Izay nikasa azy hatry ny fony ela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D45EC105-CD3A-4F3D-984D-0264B3F51EC4
12
Ary amin'izany andro izany Jehovah, Tompon'ny maro, Hiantso fitomaniana sy fioriana sy fiharatana ary fisikinana lamba fisaonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|216DB961-504A-4569-BEFB-8F79C0FA8C25
13
Kanjo he izato hafaliana sy halavoravoana! Sy famonoana omby sy ondry aman'osy ary fihinanan-kena sy fisotroan-divay! Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFFF51C8-E106-4D70-93C3-F0A33DA98468
14
Dia nambaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, teo an-tsofiko izao: Tsy havela mihitsy ambara-pahafatinareo izao helokareo izao, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F03E923-130E-43B9-91B9-5607C7359482
15
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Andeha mankao amin'ilay mpanolo-tsaina io, dia ao amin'i Sebna, lehiben'ny ao an-dapa, ka ataovy hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74AF67FC-AF93-4E8A-8F8F-03F48FA87EEA
16
Manao inona ety ianao, ary inonao moa no ety, No manao fasana ety ianao, dia manao fasana ho anao* ety amin'ny hantsana sy mandoaka fonenana ho anao* ety amin'ny harambato? [Heb. ho azy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F355117-69C6-44F6-9F64-58AFE78A8651
17
Indro, Jehovah hanipy mafy* anao, eny, hofiazany mafy ianao,[Na: hosaronany]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F56FA1ED-168F-4D7D-A7EF-0CFC0CD3FAD9
18
Dia hovolavolainy toy ny kodiarana ka hahodiadiany ho any amin'ny tany malalaka; Dia any no hahafaty anao, ary ho any koa ny kalesin'ny voninahitrao ry ilay henatry ny mpianakavin'ny tomponao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0672E08C-FA7B-45EF-BCC0-D9E1579A28C9
19
Ary horoahiko hiala amin'ny fitoeranao ianao sy haongako* hiala amin'ny raharahanao [Heb. haongany]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F93AF5A9-0F4F-44C8-AC9C-57820BE23A32
20
Ary amin'izany andro izany dia hantsoiko kosa Eliakima mpanompoko, zanak'i Hilkia;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D1E7713-6AB7-48DA-A9F2-B24DBA0B39E1
21
Ary hampiakanjoiko azy ny akanjonao, sady hosikinako amin'ny fehin-kibonao izy; Ka dia hatolotro eo an-tànany ny fanapahanao, ary dia ho tonga rain'ny mponina eto Jerosalema sy ny taranak'i Joda izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D04F2CE5-AB7B-4B18-BD57-2768946B21F0
22
Ary hapetrako eo an-tsorony ny fanala hidin'ny tranon'i Davida; Dia hamoha izy, ka tsy hisy handrindrina; Ary handrindrina izy, ka tsy hisy hamoha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05A257A9-8449-4345-B530-EF8C740173F5
23
Ary hatsatoko toy ny fihantonan-javatra eo amin'ny fitoerana mafy izy ka ho sezam-boninahitra ho an'ny mpianakavin-drainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E4D7A7D-1BD0-4308-B9E7-75C5BB59455F
24
Ary hahantona eo aminy ny havesatry ny voninahitry ny mpianakavin-drainy rehetra, izay zanaka sy tera-drainy rehetra, dia ny fanaka madinita rehetra hatramin'ny lovia ka hatramin'ny siny samy hafa rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCE6B959-2774-4BB3-8810-9B64A319A40B
25
Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Dia hiala ilay fihantonan-javatra voatsatoka teo amin'ny fitoerana mafy; Eny, hokapaina izy ka hianjera, dia ho simba ny entana izay nihantona teo aminy; Fa Jehovah no efa niteny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4835CD4D-BC35-4864-BCB9-EEF94BE1F4B9
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany