Andininy
Protestanta Malagasy
1
Indro, Jehovah mahafoana ny tany ka mahalao azy ary mampihohoka azy ka manely izay mponina ao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1F183FF-1374-4E51-90A8-CC214F91E26E
2
Koa ho sahala ihany ny hanjo ny mpisorona sy ny vahoaka, ny tompolahy sy ny mpanompolahiny, ny tompovavy sy ny mpanompovaviny, ny mpivarotra sy ny mpividy, ny mpampisambotra sy ny mpisambotra, ny mpampanàna vola sy ny mpanana vola.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54AE35B1-E98D-4FCB-9886-2D32AA7856A1
3
Hatao foana dia foana ny tany, ary hobaboina dia hobaboina tokoa izy, fa Jehovah no efa niteny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D2DA363-7334-46A5-B708-80653EE1E989
4
Misaona sy malazo ny tany; Milofika sy malazo izao tontolo izao; Milofika ny lehibe indrindra amin'ny olona ety an-tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CCF3DA0-0C10-4147-9D88-D81D81C9FCDE
5
Ary ny tany dia efa voavetavetan'ny mponina ao aminy, satria nandika ny lalàna sy nanota ny didy izy ary nivadika ny fanekena mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C2849CD-DAC1-47D0-9E66-0AD5171CB4A9
6
Ary noho izany dia ozona no mandevona ny tany, ary ny mponina ao dia valiana noho ny helony, sady voadotra ny mponina amin'ny tany ka dia olona vitsy foana no sao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2DBE0CA-45D6-4E8C-AD4E-F9E51ED2E079
7
Misaona ny ranom-boaloboka, milofika ny taro-boaloboka, misento avokoa ilay nifaly am-po;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2949BB8-835E-46F2-AC50-9388926815FD
8
Mitsahatra ny firavoravoana amin'ny ampongatapaka, tapitra ny fitabataban'ny niravoravo; Mitsahatra ny fifaliana amin-dokanga;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39EE50BA-3B2E-493B-8A41-CDCB7C8C96E4
9
Tsy mihira eo am-pisotroan-divay intsony izy, mangidy amin'izay misotro azy ny toaka;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B16D9BF-80BF-47DF-8BEC-650AE9A969E3
10
Rava ny tanana be fikorontanana, mirindrina ny trano rehetra ka tsy azo idiran'olona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E4BB04F-88EC-4361-99A5-0A0CE0EF16DD
11
Misy fitarainana divay eny an-tsaha, tafalentika toy ny masoandro ny fifaliana rehetra; Voaroaka ny faharavoravoan'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B721E60-6348-4F8A-A27B-626286EDE98F
12
Fahafoanana ihany no sao an-tanàna, satria rava sady montsamontsana ny vavahady,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|388B6970-20E0-4BA0-B826-DE3C561E9726
13
Fa ao amin'ny tany, ao amin'ny olona, dia hisy toy ny amin'ny fikapohana hazo oliva sy ny fitsimpontsimponam-boaloboka, rehefa tapitra ny andro fiotazana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8667F3E1-F179-4F6B-92DA-D33A27D28C96
14
Ireo dia hanandratra ny feony ka hihoby; Noho ny fahalehibiazan'i Jehovah dia hiantso mafy eny amin'ny ranomasina izy hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5B886C8-FCA5-4970-88E0-E5457D2F888D
15
Mankalazà an'i Jehovah any amin'ny tany atsinanana, dia ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any amin'ny amoron- dranomasina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A9CA793-FA41-4810-9BB0-018FF7172D25
16
Hatrany am-paran'ny tany no nandrenesanay hira hoe: Voninahitra ho an'ny marina. Fa hoy izaho: Indrisy izato halevonako! Indrisy ity halevonako! Ny mpamitaka dia mamitaka; Eny, ny mpamitaka dia mamitaka fatratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75F50C16-6E82-4647-9964-43ACA406618B
17
Tahotra sy longoa ary fandrika no mahazo anao, ry mponina amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA9FB947-D52F-4088-BEF3-7499FA34D34B
18
Ary izay mandositra noho ny fandrenesana ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; Ary izay miakatra avy ao anatin'ny lavaka dia ho voan'ny fandrika; Fa misy varavarana mivoha any amin'ny avo, ary mihorohoro ny fanorenan'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA62C066-671B-4A06-A7FD-F96B96789561
19
Rava dia rava ny tany; Mitresaka dia mitresaka ny tany; Mihorohoro dia mihorohoro ny tany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|476390C7-A95F-4363-85BF-7A69C0D10598
20
Mivembena dia mivenbena tahaka ny mamo ny tany ka mitsingevaheva toy ny fandriana mihantona; ary mitambesatra aminy ny fahadisoany, dia potraka izy ka tsy ho tafarina intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB5C602E-3853-4EBA-BB80-447BE07EDBA7
21
Ary amin'izany andro izany dia any an-danitra no hamalian'i Jehovah ny antokon'ny lanitra, ary ety an-tany kosa ny mpanjakan'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6EC90FE-86C8-470C-A27F-1BDD2C67449A
22
Dia hangonina ao an-davaka tahaka ny mpifatotra ireny ka hohidiana ao an-trano-maizina, ary rehefa afaka andro maro, dia hovangiana* ihany izy. [Na: hovaliana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6728A9DC-849F-4D6A-AE3E-EC750C3D3815
23
Dia hivoara-mena ny volana, ary hivaloarika ny masoandro, fa Jehovah, Tompon'ny maro, no Mpanjaka ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema, ary eo anatrehan'ny loholony dia misy voninahitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD1D4404-4E10-45E2-881E-393E6B1ED335
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany