Andininy
Protestanta Malagasy
1
Lozan'i Ariela*, lozan'i Ariela, Tanàna nitoeran*'i Davida! Ampio taona ny taona, aoka ho tafatsingeringerina ny andro firavoravoana; [*Ariela = Fatan'Andriamanitra, na: Lionan'Andriamanitra][**Heb. nitobian']
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5DEA9EF-C139-43F4-ADAB-622030DA978C
2
Dia hampahory an'i Ariela Aho, ka hisy fisentoana sy fitarainana ao aminy; Ary ho tonga Ariela tokoa amiko izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39004FD3-B428-470D-ACF1-CEF723809CE7
3
Ary hanao fahiranao anao Aho, ka hasiako miaramila hanemitra anao, ary hananganako manda hamelezana anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|921A9938-27CB-4162-8A85-3EC19B7BE4AA
4
Dia haetry ianao ka hiteny ao amin'ny tany, ary ao amin'ny vovoka no hibitsibitsihanao, eny, ny feonao hivoaka avy amin'ny tany tahaka ny an'ny manao azy ho tsindrian-javatra, ary avy ao amin'ny vovoka no ikiakiahan'ny teninao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20944BCD-33CD-4557-BD8E-3EC194B13D77
5
Kanefa ny fahavalonao betsaka ho tonga tahaka ny vovoka madinika, ary ny olon-dozabe maro ho tahaka ny akofa indaosina; Eny, ho avy tampoka dia tampoka izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D93F298-EA79-4853-91E9-289FAEA42360
6
Avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hihavian'ny famaliana, dia kotrokorana sy horohoron-tany ary rohondrohona mafy, tadio sy tafio-drivotra ary lelafo mandevona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84E8D951-C023-48A1-B901-7D6B518F705D
7
Ary ho tahaka ny fahitana eo amin'ny nofy amin'ny alina Ireo firenena betsaka rehetra ireo, izay mivory hamely an'i Ariela, dia izay rehetra mivory hamely azy sy ny mandany ka hampahatahotra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|698A3675-614B-4B9D-A2BA-79FB9A3683C1
8
Ary ho tahaka ny olona noana manonofy, fa, indro, mihinana izy; kanjo nony mahatsiaro, dia noana ihany izy; Na ho tahaka ny olona mangetaheta manonofy, fa, indro, misotro izy; kanjo nony mahatsiaro, indro, ana ihany izy, ary ny fanahiny mbola maniry ihany: Dia ho tahaka izany ireo firenena betsaka rehetra ireo Izay mivory hamely ny tendrombohitra Ziona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EF571F8-B6D0-4FDE-B72C-8A8EC7CAD486
9
Mijanona ianareo, ka mitalanjona, Tampeno ny masonareo, koa aoka ho jamba ianareo! Mamo ireo, nefa tsy tamin'ny divay; Mivembena izy, nefa tsy tamin'ny toaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7518488C-0723-4CAC-82ED-B01B24F5B0BF
10
Fa Jehovah efa nampidina fanahy mahasondrian-tory ao aminareo, ary efa nakimpiny ny masonareo (dia ny mpaminany izany), ary efa nosaronany ny lohanareo (dia ny mpahita izany).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FAD7C7F9-BB42-44CF-A228-A88498702C40
11
Ary ny fahitana ny amin'izany rehetra izany raha aminareo dia tahaka ny teny amin'ny taratasy voaisy tombo-kase, izay atolotra olona mahavaky teny ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity; Fa hoy izy: Tsy azoko vakina, fa efa voaisy tombo-kase izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|176E71A7-5E93-46E6-AFC8-52E06D5D2158
12
Fa raha atolotra izay tsy mahavaky teny kosa izany ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity, dia hoy izy: Tsy mahavaky teny aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13DF230C-F1DF-4FC7-BD96-F5C781DB7E8B
13
Ary hoy ny Tompo: Satria manatona Ahy amin'ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin'ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin'olombelona ampianarina azy ihany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD8DD53D-85A4-4EED-8523-8F22BB46C751
14
Dia, indro koa, mbola hanao zava-mahagaga amin'ity firenena ity Aho, dia zava-mahagaga sy mahatalanjona; Ka ho foana ny fahendrena kendriny, ary tsy ho hita ny fahalalan'ny mazava sainany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93CBB881-AB36-420B-8508-283B35B933B9
15
Lozan'izay manafina lalina ny saina ataony mba tsy ho hitan'i Jehovah, sady ao amin'ny maizina ny asany, ka dia hoy izy: Iza no mahita antsika, ary iza no mahalala antsika?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72C53423-9C46-45BA-B809-6CFD01AB4748
16
Endrey izato fahadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, ka ny natao va hilaza izay nanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8E27840-EEEF-446E-93DE-49415AB75BE5
17
Tsy vetivety foana va dia hovana ho saha mahavokatra Libanona, Ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E2D003B-FF43-4C60-AAC0-C44631180E2A
18
Amin'izany andro izany dia ho ren'ny marenina ny tenin'ny taratasy, ary na dia ao amin'ny aizina sy ny aizim-pito aza dia hahita ihany ny mason'ny jamba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93B63934-7298-4ED7-B888-AF4A6471DA3A
19
Ny mpandefitra hitombo hafaliana amin'i Jehovah; Ary ny malahelo ao amin'ny olona hifaly amin'ny Iray Masin'ny Isiraely,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76726E06-A8E6-4389-8EB8-C0CD41D0D2F8
20
Fa lasa ny olon-dozabe, tsy ao intsony ny mpaniratsira; Ary fongotra izay rehetra miari-torin-tsaina amin'ny ratsy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B46AB2ED-EA01-4ACC-A3DA-31948484B3C8
21
Dia ireo manameloka olona amin'ny teny ary mamandrika izay mananatra eo am-bavahady sy mamadika ny marina amin'ny lainga foana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED485084-BB96-4CA6-A412-6A552746BF4E
22
Koa ny amin'ny taranak'i Jakoba dia izao no lazain'i Jehovah, Izay nanavotra an'i Abrahama: Tsy ho menatra intsony Jakoba, ary tsy hivaloarika intsony ny tavany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82D2AA3E-2862-451F-A6AA-5C8318F528E0
23
Fa raha ny zanany mahita ny asan'ny tanako ao aminy, Dia hanamasina ny anarako izy, eny, hanamasina ny Iray Masin'i Jakoba izy ary hangovitra eo anatrehan'Andriamanitry ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01A92BE9-F539-46FB-8709-4F3DE422B293
24
Ary izay mivily fanahy dia mbola hahazo fahalalana; Ary izay mimonomonona dia mbola hianatra fahendrena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33F50913-1DC0-4C28-B7D5-B84ED5389E5B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany