Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fa, indro, Jehovah, Tompon'ny maro, Manaisotra amin'i Jerosalema sy Joda izay andry sy tohana rehetra: Dia ny mofo sy ny rano rehetra, izay tohan'aina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1F28B64-76F2-45BE-B016-EDDDD7266371
2
Ny lehilahy mahery sy ny mpiady, Ny mpitsara sy ny mpaminany, Ny mpanao fankatovana sy ny loholona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|595F5694-A197-4AC5-B1C6-3FDF3BB29FD2
3
Ny mpifehy ny dimam-polo sy ny manan-kaja, Ny mpanolo-tsaina sy ny mahay zavatra Ary ny mahay ny fiboeriboeriky ny mpanao ody.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB3086A7-8503-412A-935C-B2FF1ECC9BCD
4
Ary hanendry ankizilahy madinika ho lehibeny Aho, Ary ny haitraitran-jaza no hanapaka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2BFB748B-615A-4155-A4DA-E1702CBF3AD0
5
Ary hifanipaka izy samy iray firenena, Dia samy ny namany avy sy ny akaiky azy avy; Ny tovolahy hirehareha amin'ny anti-panahy, Ary ny tsy manan-daza amin'ny manan-daza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B4D0A3D-A361-4B7A-B437-0248C9979B78
6
Raha misy olona angatahin*'ny rahalahiny ao an-tranon-drainy ka ataony hoe: Hianao no manana lamba, koa aoka ho mpanapaka anay, Ary aoka ity faharavana ity ho raharahanao,[Heb. hazon']
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57F27F04-3019-4C18-BE20-C63CD6F20308
7
Dia namaly izy amin'izany andro izany hoe: Tsy mety ho dokotera aho, Fa ao an-tranoko tsy misy hanina na lamba; Koa tsy azonareo hatao mpanapaka ny olona aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FC7814B-6C4C-4093-A635-3D8257244095
8
Fa tafintohina Jerosalema, Ary potraka Joda, satria ny lelany sy ny asany dia samy manohitra an'i Jehovah Mba hihaika ny mason'ny voninahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D79C9B6-DB59-4F8C-8D36-7A4EEBC573A6
9
Ny fisehon'ny tarehiny miampanga azy; Ary mampiharihary ny fahotany tahaka an'i Sodoma izy ka tsy manafina azy. Lozan'ny fanahiny! Fa mampidi-doza amin'ny tenany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0799DFF8-8D6D-4D68-AEFC-CC2830D50EBD
10
Lazaonareo ny amin'ny marina fa hahita soa izy, Fa ny vokatry ny asany no hohaniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91DF9E71-BD3A-4485-92DB-1F69508D8BBE
11
Lozan'ny ratsy fanahy! hiharan'ny ratsy izy, Satria ny valin'ny nataon'ny tànany ihany no hanody azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DB99311-EE51-4D0D-9381-A34F0211CB48
12
Ny amin'ny oloko, dia zaza no mampahory azy, Ary ireo vehivavy no manapaka azy. Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao Sady mandrava ny lalana alehanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|953D17E1-6F7C-4A4C-9F36-6E1BC8CD55C6
13
Jehovah mitsangana handahatra Ka miatrika hitsara ny firenena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E78C7FE3-68DC-4C68-8312-0FAC4833BA22
14
Jehovah miampanga ny loholona sy ny lehiben'ny olony amin'ny fitsarana hoe: Hianareo no efa nandevona ny tanim-boaloboka; Ary ao an-tranonareo ny fananan'ny malahelo izay efa nalaina an-keriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F671201A-6C01-498D-8BED-EDCECBA6EFF2
15
Ahoana no hevitrareo no dia hosihosenareo ny oloko, Ary torotoroinareo ny tavan'ny malahelo ? Hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1119538-06B2-402C-A50E-3023CEDFE788
16
Ary hoy koa Jehovah: Satria miavona ireo zanakavavin'i Ziona ka mandeha mianjonanjona sy manao maso meloka Sady kasikasy fandeha Ary mampikorintsandrintsana ny fehin-tongony,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2746CE25-7F6D-4F48-AEFC-078AF3C7ABC5
17
Noho izany dia hataon'ny Tompo feno tako-pery ny tampon-dohan'ny zanakavavin'i Ziona, Ary Jehovah hampiseho ny fitanjahany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F392063E-951C-4E46-BA9D-E4E6757DAAD0
18
Amin'izany andro izany dia hesorin'i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha*, na ny sarim-bolan-tsinana, [Na: voavola]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCE8C79C-38E6-4AEF-BC33-D81F0D164124
19
Na ny kavina voavola, na ny rojo*, na ny fisalobonana makarakara,[Na: haba]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88A098A3-8D2F-41D8-BFB1-FDC53B306010
20
Na ny satroka*, na ny rojo parapaingo, na ny fehin-kibo misy haingony, Na ny fitoeran-dranomanitra, na ny ody fanaony ravaka,[Heb. diadema]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E6E80AD-A5E2-4124-BD91-3DA7C1F7ADD8
21
Na ny peratra, na ny kavin'orona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28C525CA-E27E-4FA0-8D9E-213A3434184C
22
Na ny akanjo fihaingoana, na ny kapôty, Na ny saly, na ny poketra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D60E083B-58BE-400F-9545-CB7E4FDBC66C
23
Na ny fitaratra fizahana, na ny akanjo somizy anatiny, Na ny satroka fihaingoana*, na ny lamba fisaronana;[He. hamama]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA729F4A-DFD7-4216-B22C-655D73ADC13F
24
Ary ny manitra hosoloana ny maimbo; Ary ny fehin-kibo tsara hosoloana ny mahazaka; Ary ny volo voavoatra tsara hosoloana ny boriana; Ary ny akanjo miebanebana hosoloana ny lamba fisaonana*; Ary ny hatsaran-tarehy hosoloana ny tomboka amin'ny vy mahamay.[Heb. lamba malailay]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27E9CEC4-0CB6-4E26-AA7A-D4AE8EEA1A15
25
Ny lehilahy ao aminao ho lavon-tsabatra, Ary ny mahery ao aminao ho faty an'ady;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA463639-8DFF-4127-840E-F83F20064CBF
26
Ka dia hitomany sy hisaona ny vavahadiny; Ary ho lao ny tanàna ka hanjokaiky,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF4B0EC1-8A8B-41C4-8D0E-BC16970B5067
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany