Andininy
Protestanta Malagasy
1
Lozan'ny zaza maditra, izay maka saina, nefa tsy avy amiko, hoy Jehovah, ary manao fanekena*, nefa tsy avy amin'ny Fanahiko, mba hanampy ota amin'ny ota, [*Heb.mandrary harato][**Heb. fialokalofanareo]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3F3F533-F71E-45A7-AF2E-4C24210F043A
2
Dia izay mandeha hidina any Egypta, nefa tsy nanadina tamin'ny vavako, handositra ho any amin'ny fiarovana mafin'i Farao sy hialokaloka ao amin'ny alokalok'i Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA8E139B-1285-4F90-AB23-8BD9BCAC9F4C
3
Kanjo ho tonga henatra ho azy* ny fiarovana mafin'i Farao, ary ho fanalam-baraka azy* ny fialokalofany** ao amin'ny alokalok'i Egypta.[Heb. anareo]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4DDE429A-EA4F-4090-84D9-313875F56428
4
Fa tonga any Zoana ireo lehibeny, ary tonga any Hanesa ny irany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFED5B47-86EB-4272-BA73-4BB91FB2E7C0
5
Izy rehetra dia samy hahazo henatra noho ny amin'ny firenena tsy mahasoa azy, dia izay tsy mahavonjy na mahasoa, fa tonga henatra sy latsa kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FDB5E2A-783A-4047-A797-B2AAD4E099EF
6
Faminaniana ny amin'ny behemota* any amin'ny tany atsimo. Any amin'ny tany mampahory sy mahaporiporitra, izay ihavian'ny liom-bavy sy ny lion-dahy ary ny menarana sy ny menaran'afo manidina, no nitondrany ny hareny teny an-damosin'ny boriky tanora ary ny fananany teo amin'ny trafon'ny rameva ho any amin'ny firenena tsy mahasoa azy.[hipopotamosy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CAFDAE6-853F-4B42-98D9-3C8982005CBF
7
Nefa zava-poana sy tsinontsinona ny famonjen'ny Egyptiana; Koa izany no nanaovako azy hoe: Ilay be rehaka tsy mety manao na inona na inona*! [Na: Rehareha foana ireny, ka aoka izay!]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3AE1319-FF1D-4DCB-82E3-9DEC59FFFE30
8
Mandehana ankehitriny soraty amin'ny fàfana eo anatrehany izany, ary soraty amin'ny taratasy mba haharitra amin'ny andro any aoriana mandrakizay doria izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DCE55D2A-02C1-4429-A2A3-BC672497F713
9
Fa firenena maditra izy, zaza mandainga, dia zaza izay tsy mety mihaino ny lalàn'i Jehovah,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E068E25D-EE9A-456E-8286-0EAE974E95B7
10
Izay manao amin'ny mpahita hoe: Aza mahita, ary amin'ny mpaminany: Aza maminany zavatra marina aminay: Manaova vava malefaka aminay, maminania fitaka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C630F836-2AE7-4F9C-8ED4-1E95BD315879
11
Mialà amin'ny lalana, mivilia amin'ny aleha; Atsaharo ny Iray Masin'ny Isiraely tsy ho eo anoloanay intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E1C5041-D9F0-4792-8DB0-ECDC941DFAA2
12
Koa izao no lazain'ny Iray Masin'ny Isiraely: Satria mandà izany teny izany ianareo ary matoky ny fanaovana an-keriny sy ny fiolakolahana ka miankina amin'izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CAA69941-8C1B-484B-B5A3-91C18A845CCF
13
Dia ho aminareo ity heloka ity, tahaka izay mivava efa mila hianjera sy izay mibohitra amin'ny manda avo, ka ho tampoka dia tampoka no haharavany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AEBDCA1A-20D8-482D-8566-724C097C158A
14
Ary hovakivakina izy tahaka ny fahavakivakin'ny vilanin'ny mpanefy tanimanga, raha montsamontsaniny ka tsy itondrany roa; Koa rehefa montsamontsana izy, dia tsy hisy vakiny ho azo atao fangalana afo ao am-patana, na ho azo atao fangalan-drano ao an-davaka famorian-drano aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1EBF0582-F1CA-4EC7-8F38-19E0052C1569
15
Fa izao no lazain'ny Tompo, dia Jehovah, ny Iray Masin'ny Isiraely: Amin'ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin'ny fanginana sy ny fahatokiana no hisian'ny herinareo; Nefa tsy nety ianareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE9AC8C4-4DB1-40FC-A92F-821E8ABA03BC
16
Fa hoy kosa ianareo: Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay; Koa noho izany dia handositra tokoa ianareo; Ary hoy ianareo: Hitaingina ny faingan-tongotra izahay; Ka dia ho faingan-tongotra koa ny manenjika anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD13FDE3-B1EC-401A-B293-358CA21FDBA0
17
Ny arivo handositra, raha rahonan'ny anankiray, eny, handositra ianareo, raha rahonan'ny dimy, Mandra-pahatongan'ny saminareo ho tahaka ny to-kazo avo any an-tampon'ny tendrombohitra sy tahaka ny faneva any amin'ny havoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31CB64E0-C37D-4DBB-9EF1-1DFCE31446CC
18
Koa Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin'ny avo Izy mandra-piantrany anareo, fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; Sambatra izay rehetra miandry Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9726C7AF-07A8-4673-AE75-0CFEBAAFFB6C
19
Fa ianao, ry firenena mitoetra ao Ziona any Jerosalema, dia tsy hitomany intsony; Fa hamindra fo aminao tokoa Izy, raha reny ny fitarainanao; Eny, raha vao reny izany, dia hamaly anao Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9694A5E8-C3EF-4EA9-954F-84E65FF73C9C
20
Ary homen'ny Tompo mofo fahoriana sy ny rano fahalahelovana ianao; Ary tsy hiery intsony ny mpampianatra anao; Ny masonao hahita ny mpampianatra anao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|760C9C38-DEF9-4670-A9E9-AFE3C840AC0B
21
Fa na mivily ho amin'ny an-kavanana ianao, na mivily ho amin'ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF03FE30-5408-40AD-806E-B80645FB5AD9
22
Ary holotoinao* ny takela-bolafotsy voapetaka amin'ny sampinao voasokitra sy ny takela-bolamena voapetaka amin'ny sampinao an-idina, ka harianao tahaka ny lamba maloto izany; Mialà amiko! no teny hataonao aminy. [Heb.holotoinareo]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E98EBDF6-A780-4A5C-85C7-32DF159A7E6E
23
Ary dia hanome ranonorana ho an'ny voa nafafinao any an-tsaha Izy, sy mofo vokatry ny tany sady tsara no vokatra; Ary amin'izany andro izany ny ombinao dia hihinana eny amin'ny tany malalaka;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78B96A52-8853-481A-AC8E-5B7EE9C797A5
24
Ny omby sy ny boriky tanora, izay miasa ny tany, dia hihinana vilona voaisy sira, izay voatsikerakera amin'ny sahiratsy sy ny fikororohana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2C83213-A287-4D30-B64F-50580747C92A
25
Ary any amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana andrandraina rehetra dia hisy ony sy ranovelona amin'ny andro lehibe famonoana, dia amin'ny andro hianjeran'ny tilikambo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F496FC63-BEB6-485D-8FD4-16BC8A3E300A
26
Ary ny fahazavan'ny volana dia ho tahaka ny fahazavan'ny masoandro, ary ny fahazavan'ny masoandro dia ho avy fito heny, ka ho tahaka ny fahazavan'ny hafitoana, Amin'ny andro hamehezan'i Jehovah ny fahatorotoroan'ny olony sy hanasitranany ny fery tamin'ny namelezana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5BD6754-1096-4533-B37D-6F8AE32110B9
27
Indro, avy any lavitra any ny anaran'i Jehovah, mirehitra amin'ny fahatezerany Izy Sady midonaka amin'ny setroka be; Ny molony dia feno fahatezerana, ary ny lelany dia tahaka ny afo mandevona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC208ED6-667E-4775-AC9E-C314F572999B
28
Ary ny fofonainy tahaka ny riaka manafotra havozona, hanasivana ny firenena amin'ny sivana fandevonana, ary hisy lamboridy mampivily eo amin'ny valanoranon'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5DEDF9C-4F78-475E-8EBB-CAC2B8069EC5
29
Ary ny hira hataonao dia ho tahaka ny amin'ny alina fitandremana* ny andro firavoravoana, ary ny hafalian'ny fo dia ho tahaka ny olona mandeha omban'ny feon-tsodina ho any an-tendrombohitr'i Jehovah, dia any amin'ny Vatolampin'ny Isiraely; [Heb. fanamasinana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F716E020-50F8-486A-8C6F-A08CDDB1CBAA
30
Ary Jehovah hanandratra ny feon'ny fiandrianany sy hampiseho ny fiantefan'ny sandriny amin'ny firehetan'ny fahatezerana sy ny lelafo mandevona sy ny ranonoram-baratra sy ny orana mifafy ary ny havandra vaventy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7355AF4D-15EA-4B21-9A82-97078BB0CDF1
31
Fa ny feon'i Jehovah dia haharaiki-tahotra ny Asyriana; Hasiany amin'ny tsorakazo ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF13758D-BF98-4469-9931-238684EDDC37
32
Ary na aiza na aiza no amelezan'ny tsorakazo voatendry, izay amelin'i Jehovah azy, dia harahina ampongatapaka sy lokanga izany; Ary amin'ny ady hamelezany mafy no hiadiany aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5564CCA-D445-4CA5-823E-EDC763B14185
33
Fa efa voavoatra fahataloha Tofeta; Eny, efa nataony vonona ho an'ny mpanjaka izany; Efa nataony ]alina sady malalaka izy; Ny antontany dia misy afo sy kitay betsaka; Ary ny fofonain'i Jehovah, izay tahaka ny renirano solifara, no mampirehitra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8468FBF2-CD8D-49A7-9F02-B8D0471A9566
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany