Andininy
Protestanta Malagasy
1
Lozan'izay midina any Egypta hitady famonjena sy miantehitra amin'ny soavaly ary matoky ny kalesy, satria maro ireny, sy ny mpitaingin-tsoavaly, satria mahery dia mahery ireny, fa tsy manandrandra ny Iray Masin'ny Isiraely, na mitady an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2EB0FDA1-5267-4132-B581-0DBEF8C0D249
2
Nefa Izy koa dia hendry ka mahatonga loza, ary tsy tsoahany ny teniny; Fa mitsangana Izy hamely ny mpianakavin'ny mpanao ratsy sy izay manampy ny mpanao meloka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB738705-3485-45F9-AC18-4CD1A976417E
3
Fa olona ihany ny Egyptiana fa tsy Andriamanitra; Ary nofo ihany ny soavaliny, fa tsy fanahy. Koa raha ahinjitr'i Jehovah ny tànany, dia ho tafintohina izay manampy, ary ho potraka izay ampiana, ka samy ho levona avokoa izy roa tonta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2F01800-5668-4721-BC0D-0048E28995A9
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany