Andininy
Protestanta Malagasy
1
Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan'ny mpanjaka, ary ny lehibe hanaraka araka ny rariny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BEF0F13-BAB2-4AC6-940C-C8CF93DEE8CB
2
Ary hisy lehilahy* ho fierena amin'ny rivotra sy ho fialofana amin'ny ranonoram-baratra; Ho ranovelona ao amin'ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin'ny tany mahana. [Na: Ary samy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D14DAAC-3642-415F-BCA5-768302FD6A33
3
Ary tsy hikimpy ny mason'izay mahita, ary ny sofin'izay mandre dia hihaino.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0BEAB3E-A67B-461E-A549-0C387DF0E280
4
Ny fon'izay maimaika hahazo fahalalana, ary ny lelan'izay mikodedidedy hahay miteny mahitsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6A5F068-1F77-4FB5-92F5-37F109A0E9B4
5
Ny adala tsy holazaina intsony hoe mitoetr'andriana, ary ny mpifetsy tsy holazaina hoe mahafoy be*. [Heb. mpanankarena]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFB7F82E-9F4F-4232-98DF-E069984EB289
6
Fa ny adala mbola miteny fahadalana ihany, ary ny fony mamoron-keloka, mba hanaovany fihatsaram-belatsihy* sy hitenenany hevi-diso ny amin'i Jehovah ary hanaovany izay tsy hahazoan'ny noana hanina sy izay tsy hahazoan'ny mangetaheta rano hosotroina. [Na: ratsy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76013211-4B67-48D1-80E8-FAF562445517
7
Ary ratsy ny hafetsen*'ny mpifetsy; Mamoron-tsain-dratsy izy hanimbany ny ory amin'ny teny lainga, na dia miteny manan-drariny aza ny malahelo; [Heb. fiasan']
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDD55636-689A-4794-851A-985A3C758024
8
Fa ny mitoetr'andriana kosa dia mamoron-tsaina araka izay mahamendrika andriana, ary izay mahamendrika andriana no ifikirany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|703BF355-A641-44A9-9BCF-84D367EE2CA4
9
Mitsangàna, ry vehivavy miadana, ka mandrenesa ny feoko; Ry zazavavy matokitoky foana, mihainoa ny teniko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D514460-1196-44E5-A302-C73463C8F4A2
10
Raha afaka herintaona mahery dia ho raiki-tahotra ianareo, ry vehivavy matokitoky foana; Fa hanjahitra ny taom-piotazam-boaloboka, ary tsy hisy ny fanangonam-boankazo
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00225257-14F6-4400-B13B-EEC70E2FF491
11
Mangovita, ry vehivavy miadana, mangorohoroa, ry vehivavy matokitoky foana; Endaho ny akanjonao, ka mitanjaha, ary misikìna lamba fisaonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03FD2556-AE6B-475D-AB14-4B037FA907B0
12
Miteha-tratra izy, fa malahelo ny saha nahafinaritra sy ny voaloboka vokatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8CB5EC2-8E61-4D0A-A3A0-5E876730D3E8
13
Ho rakotry ny tsilo sy ny hery ny tanin'ny oloko, eny, na dia ny ao amin'ny trano mahafaly rehetra ao an-tanàna ravoravo aza;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27831E77-E87F-4245-A9C4-F682AADE731E
14
Fa ho foana ny lapan'ny mpanjaka; Hitsahatra ny fihorikoriky ny tanàna; Ofela* sy ny tilikambo fitazanana ho tonga naman'ny zohy ho mandrakizay, dia fikarenjen'ny boriki-dia sy fiandrasana ny andian'ny ondry aman'osy, [Na: Ny havoana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFFFDF17-951D-47F3-94CA-4401A7378BDB
15
Mandra-pandatsaka ny fanahy avy amin'ny avo ho amintsika, ka ny efitra ho tonga saha mahavokatra, ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E385F6D8-6E07-445A-BB45-AB8DC83719E4
16
Ary hitoetra any an-efitra ny rariny, Ary ny fahamarinana honina ao amin'ny saha mahavokatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09C1317A-D5D5-435F-B9CF-557A07D17F90
17
Ny asan'ny fahamarinana ho fiadanana; Ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C05292E-75C6-4FD2-B3B8-8D9F19190002
18
Ary ny oloko hitoetra ao amin'ny fonenana mandry fahizay sy ao amin'ny fitoerana mahatoky ary ao amin'ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|414E9DB8-2E2E-4420-9F8C-AD771F552136
19
Nefa hilatsaka ny havandra, rehefa aripaka ny ala, ary halamaka dia halamaka ny tanàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B57B03F8-80CA-4C2B-ABC2-BA77C6B6744D
20
Sambatra izay mamafy eny amoron'ny rano rehetra sady mampiriaria ny omby sy ny boriky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8FECAE0-A85A-4EFB-BF94-1CF98F136050
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany