Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo nanjakan'i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Joda ka nahafaka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8F51DFC-0E36-4F4E-8248-13271A945187
2
Ary ny mpanjakan'i Asyria naniraka an-dRabsake mbamin'ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin'i Hezekia mpanjaka. Dia nitsangana teo anilan'ny lakan-drano amin'ny kamory ambony izy, teo an-dalambe mankamin'ny sahan'ny mpamotsy lamba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54B97EB2-A9C9-42E6-AC15-9E76F07BC43B
3
Ary Eliakima, zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia nivoaka ho ao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACBB13AD-6C4E-49AF-8BD7-B1DD0C27EBE4
4
Dia hoy Rabsake tamin'ireo: Andeha, lazao amin'i Hezekia hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria: Inona moa izato itokianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09311F70-FA67-4E4F-B30C-F39BD9DBA1F2
5
Hoy izaho: Teny foana ny hoe: Manana saina sy hery hiady aho. Fa iza no itokianao, no miodina amiko ianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FF41C27-8CA8-4660-A1E4-9046E38CFAAD
6
Indro, ianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan'olona io, dia manindrona ny tànany miboroaka; eny, tahaka izany Farao, mpanjakan'i Egypta, amin'izay rehetra matoky azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67BFAB5D-DE3A-40C0-ADEE-169BD9C0614F
7
Fa raha hoy ianao amiko: Jehovah Andriamanitray no itokianay, moa tsy Azy va ny fitoerana avo aman'alitara izay noravan'i Hezekia, izay nilaza tamin'ny Joda sy Jerosalema hoe: Eto anoloan'ity alitara ity no hiankohofanareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8775A4E8-6472-4034-8765-E2F3773F6911
8
Koa aoka hifaninana ianao sy ny tompoko, mpanjakan'i Asyria, fa homeko soavaly roa arivo ianao, raha tàhiny manana olona hitaingina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21A60F82-19C6-4C58-806E-C99AD6FEDD4F
9
Hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin'ny mpanompon'ny tompoko, na dia izay kely indrindra aminy aza, nefa matoky an'i Egypta ianao hahazoanao kalesy sy mpitaingin-tsoavaly?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65A9D585-2276-4125-A5B0-2B9126B8E6A3
10
Koa moa haitraitro va izao niakarako izao? Tsia, fa Jehovah no naniraka ahy handrava ity tany ity ka nanao hoe: Miakara ho amin'izany tany izany, ka ravao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4086F40C-DCB3-4EAF-BF8B-1FE4819BB586
11
Dia hoy Eliakima sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake: Masìna ianao, teny Syriana* no ataovy amin'ny mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny Jiosy ho ren'ny olona eny ambonin'ny manda. [Heb. Aramiana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C17D716-3B98-4AF8-A064-34DE61491DB7
12
Fa hoy Rabsake: Moa ho amin'ny tomponao sy ianao va no nanirahan'ny tompoko hilaza izany teny izany, fa tsy ho amin'ny olona izay mipetraka eny ambonin'ny manda, hihinanany izay tsy fihinany* sy hisotroany izay tsy fisotrony** miaraka aminareo? [*Heb. ny tainy][**Heb. ny amaniny]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2BCB1F0-9966-4DAB-B5EF-A1D98D995D19
13
Dia nijoro teo Rabsake ka niantso tamin'ny feo mahery tamin'ny teny Jiosy hoe: Henoy ny tenin'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF399EBC-D0DA-4A72-9286-BB7D5BC7D553
14
Izao no lazain'ny mpanjaka: Aza mety hofitahin'i Hezekia ianareo; fa tsy hahavonjy anareo izy tsy akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9CC411E-595B-410A-B27D-4F8A10197B36
15
Ary aza mety hampahatokin'i Hezekia an'i Jehovah ianareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika tokoa; ary tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria tsy akory ity tanàna ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9BE8D66B-4DC9-4528-908D-8DEF3182FB64
16
Aza mihaino an'i Hezekia ianareo; fa izao no lazain'ny mpanjakan'i Asyria: Manaova fanekena amiko hiadananareo, ka mankanesa aty amiko, ary samia homana ny voalobony sy ny aviaviny, ary samia misotro ny rano avy amin'ny lavaka famorian-dranony avy ianareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80AFABDB-223B-4F90-9244-773ADB225B44
17
mandra-pihaviko hitondra anareo ho any amin'izay tany tahaka ny taninareo, dia tany misy vary sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy tanim-boaloboka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB17A188-E24C-4FDC-8C59-0E732EA4DF57
18
Aza mety homen'i Hezekia vohony ianareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika. Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria va ireo andriamanitry ny firenena ireo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A23173FB-6074-4B96-8274-0105F7FEF56F
19
Aiza moa ny andriamanitr'i Hamata sy Arpada? Ary aiza koa ny andriamanitr'i Sefarvaima? Nahavonjy an'i Samaria tamin'ny tanako va ireo andriamaniny?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA2ED257-5E43-45A5-A48C-0803935ED3E3
20
Iza moa amin'ny andriamanitra rehetra amin'ireo tany ireo no efa nahavonjy ny taniny tamin'ny tanako, koa aiza no hahavonjen'i Jehovah an'i Jerosalema amin'ny tanako?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6568F0D0-D575-42F3-939E-407A446ED836
21
Nefa nangina ny olona, ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraim-bava akory aza, satria ny mpanjaka efa nandidy hoe: Aza misy mamaly azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AE47665-1EF3-4DA4-833A-170F70283890
22
Ary Eliakima, zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin'i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65E3A61A-C7C5-4BC9-A347-A44689A9FDDF
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany