Andininy Protestanta Malagasy 1 Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo nanjakan'i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, hamely ny tanĂ na mimanda rehetra any Joda ka nahafaka azy. 2 Ary ny mpanjakan'i Asyria naniraka an-dRabsake mbamin'ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin'i Hezekia mpanjaka. Dia nitsangana teo anilan'ny lakan-drano amin'ny kamory ambony izy, teo an-dalambe mankamin'ny sahan'ny mpamotsy lamba. 3 Ary Eliakima, zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia nivoaka ho ao aminy.
|