Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon'i Jehovah,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9BB511A8-EDDD-42F8-88E3-8CF29EE64168
2
ary izy naniraka an'i Eliakima, lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan'ny mpisorona, samy nitafy lamba fisaonana avokoa, hankany amin'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53D468EA-42F4-4161-BF7E-352BD5CE6400
3
ary nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|763BB213-D50C-4321-BDBA-E5159DE2809C
4
Angamba ho ren'i Jehovah Andriamanitrao ny tenin-dRabsake, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria tompony hihaika an'Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teny izay efa ren'i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny fivavakao hamonjy izay mbola sisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1AD9B886-3F98-4D0E-A626-3AC877D92D9D
5
Dia nankany amin'Isaia ny mpanompon'i Hezekia mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BBC79BA-7321-45E0-BAFC-DC8931F5FDFE
6
Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin'ny tomponareo hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan'iretsy ankizilahin'ny mpanjakan'i Asyria iretsy Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52F0F300-22A7-47A2-8CC7-57326BB802C2
7
Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy, ka hiverina ho any amin'ny taniny; dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DD3F841-C34E-4365-AA72-A67FBF400F49
8
Dia niverina Rabsake ka nankany Libna, izay nataon'ny mpanjakan'i Asyria fahirano tamin'izay; satria efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|883570C0-AF2C-4892-B915-D98E54D4D5EF
9
Ary ren'i Sankeriba ny amin'i Tiraka, mpanjakan'i Etiopia, nanao hoe: Avy hiady aminao izy; ary nony nandre izany izy, dia naniraka olona ho any amin'i Hezekia nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09C02A8F-A5A0-46FE-B71C-142A4D33AA42
10
Izao no holazainareo amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda: Aza mety hofitahin'ny Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B2E262E-1C5C-4F54-AAB4-86F90571C1F5
11
Indro, ianao efa nandre izay nataon'ireo mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany rehetra, dia ny nandravany* azy; ka ianao kosa va no ho voavonjy? [Heb. nanaovany herema]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9285AF5-9C42-4E93-9E13-A7CBA867ED64
12
Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan'ny razako, dia Gozana sy Harana sy Razefa ary ny taranak'i Edena izay tao Telasara ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D6E7C6F-938F-4A25-AEB2-80A76158065B
13
Aiza ny mpanjakan'i Hamata sy ny mpanjakan'i Arpada sy ny mpanjakan'ny tanàna Sefarvaima sy Hena ary Iva?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10A0CF24-FAF0-4952-8073-8BB3B421D980
14
Dia noraisin'i Hezekia tamin'ny tanan'ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon'i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C4FC9FF-C73A-4EF0-83E5-2429FBBD7C39
15
Ary Hezekia nivavaka tamin'i Jehovah nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|932BA0C0-22BC-46AE-8E43-720B0826A06E
16
Ry Jehovah, Tompon'ny maro ô, Andriamanitry ny Isiraely, Izay mipetraka amin'ny kerobima, Hianao dia Hianao ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany; Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|805673ED-8732-474C-851E-37555FBA2666
17
Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere; ary mihainoa ny teny rehetra izay nampitondrain'i Sankeriba hihaika an'Andriamanitra velona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E46633E1-E9A3-484A-ABC2-C1C6216890EF
18
Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan'i Asyria dia efa nandrava ny firenena* rehetra sy ny taniny [Heb. tany]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7B5EB9B-C03D-4A92-98A2-7D52F2B64B18
19
ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan'ny tànan'olona ihany, dia hazo sy vato, ka dia azony nosimbana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|682EC537-BD08-476D-A02C-A357A2D52591
20
Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, vonjeo amin'ny tànany izahay, mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany fa Hianao ry ihany no Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02545AED-43B6-4529-8DE2-2D5AE2BBC2FD
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany