Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon'i Jehovah,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9BB511A8-EDDD-42F8-88E3-8CF29EE64168
2
ary izy naniraka an'i Eliakima, lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan'ny mpisorona, samy nitafy lamba fisaonana avokoa, hankany amin'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53D468EA-42F4-4161-BF7E-352BD5CE6400
3
ary nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|763BB213-D50C-4321-BDBA-E5159DE2809C
4
Angamba ho ren'i Jehovah Andriamanitrao ny tenin-dRabsake, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria tompony hihaika an'Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teny izay efa ren'i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny fivavakao hamonjy izay mbola sisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1AD9B886-3F98-4D0E-A626-3AC877D92D9D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany