Andininy
Protestanta Malagasy
21
Ary Isaia, zanak'i Amoza, dia naniraka hankany amin'i Hezekia nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin'ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F6F2E33-0E54-41D7-9420-9DD2AE0F8D48
22
dia izao no teny nolazain'i Jehovah ny amin'i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina; Mihifikifi-doha mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9251EC46-21B7-4EF7-802A-04DB77BE9E5A
23
Fa iza no nohaikainao sy nompanao? Ary hanohitra an'iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao any ambony? Hanohitra ny Iray Masin'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F16C6C7D-6F8E-4FAC-9081-419A65232220
24
Ny mpanomponao no nihaikanao ny Tompo hoe: Tamin'ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon'ny tendrombohitra, tao afovoan'i Libanona; Ary hokapaiko ny sedera avo sy ny kypreso voafantina, dia hiditra any amin'ny faran'ny azo iakarana ao aho sy any amin'ny alany midokadoka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F01D227-5CD5-4E47-B491-02870DC31DA6
25
Izaho no nihady ka nisotro rano, Ary ny faladiako no handritako ny lahin-drano rehetra any Egypta*. [Heb. Mazora]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|136703C8-7745-4F4C-9122-A10195250A4F
26
Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin'ny andro taloha no nikasako izany? Ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho ka dia nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A8C3D88-A59E-43B6-B8AA-F0D123B0030D
27
Ary efa tsy nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra no nangaihay. Efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy, ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin'ny tampon-trano. Ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5FA804A-6582-4E9D-B772-E17D509B598E
28
Fa samy fantatro avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao ary ny fahatezeranao amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8160B130-00C5-4676-AFB7-053B249004D6
29
Satria efa tezitra amiko ianao, ary efa tonga ato an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny masom-biko ny oronao ary hasiako ny lamboridiko ny vavanao, ary hampivereniko amin'ny lalana izay nihavianao ianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE1E839B-3BE8-46A4-8C57-56E8A133925F
30
Ary izao no ho famantarana ho anao kosa: Hihinana ny maniry ho azy amin'ity taona ity ianareo; ary amin'ny taona manaraka dia ny kolokolon'izany, fa amin'ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo, ka mijinjà, ary manaova tanim-boaloboka, ka mihinàna izay vokatra eo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05C477AC-ABD1-4D85-A24A-489747F1DB3A
31
Ary izay samin'ny taranak'i Joda dia mbola hamaka lalindalina kokoa sady hisondrotra hamoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7AA7F10-EEE6-47AC-865D-EB487793F24A
32
Fa hisy shiseho avy any Jerosalema sy safaka avy any an-tendrombohitra Ziona ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hanao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BC44898-4122-4B82-BAB2-F0883C6E240A
33
Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjakan'i Asyria: Tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB851C8D-4549-452D-9AA4-54E3071203A1
34
Ny lalana izay nihaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFDD1F97-E311-422C-B1F9-DA538258DFE5
35
Fa hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin'ny tenako sy Davida mpanompoko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDF14F04-AE6F-4446-BA89-5B295E5D84A4
36
Dia avy Ilay Anjelin'i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin'ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9CAF54E-7F9F-455B-9EA9-D2E2D73D8299
37
Dia niainga Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61467972-FCDE-4B39-BEEB-EC1CDB0AF881
38
Ary raha niankohoka tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny izy, dia nokapain'i Adrameleka sy Sarezera zananilahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra ho any amin'ny tany Ararata izy mirahalahy; ary Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B7510EE-590E-4338-8AA8-DF85B0E5EDAE
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany