Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia; ary Isaia mpaminany zanak'i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7AD00F21-5F7A-44D7-A62C-052D03FDD651
2
Dia nitodika nankany amin'ny rindrina Hezekia ka nivavaka tamin'i Jehovah
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1613DDA-3714-40EB-8CC8-CF524B4C8552
3
hoe: Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin'ny fahamarinana sy tamin'ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao Dia nitomany mafy dia mafy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C593EA5C-DE7D-4A37-9FBD-6C07D6ACF9E4
4
Dia tonga tamin'Isaia ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8120DAF9-45A8-4FE1-BE0C-BB8656B050FA
5
Mandehana, ka lazao amin'i Hezekia hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hampiako dimy ambin'ny folo taona ny andronao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|366E2978-CB21-4BF0-901E-1BCE073F7CFB
6
sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AD639B9-716F-4ACD-8408-B7B1D41DF5D3
7
Ary izao no ho famantarana ho anao avy amin'i Jehovah, hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A39D2099-FF27-4ABB-9D11-ADFC12BF7C8A
8
Indro, hampiverina ny aloka hàdiny* folo Aho araka ny nampidinan'ny masoandro azy teo amin'ny dialin*' i Ahaza. Ka dia niverina hàdiny* folo ny masoandro, dia ilay efa nidinany. [Heb. ambaratonga]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD40D4EE-6A1B-45AF-9DFF-7F5B10BCBC5D
9
Ny teny nosoratan'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, raha narary izy ka sitrana tamin'ny aretiny:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7CEB1D4-64D7-4AD7-ABD1-15113E18D807
10
Hoy izaho: Amin'izao andro mbola iadanako izao no tsy maintsy idirako amin'ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita*; nesorina tamiko ny androko sisa. [Heb. Sheola]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5883A626-677C-45B9-999B-61F77BE9CDA7
11
Hoy izaho: Tsy mba hahita an'i Jehovah intsony aho. Eny, tsy mba hahita an'i Jehovah ao amin'ny velona intsony aho; Tsy mba hahita olona intsony aho, fa ho isan'ny mponina any amin'ny fiainan-tsi-hita*. [Heb. Sheola]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|384D2087-55B1-4D5F-8063-5A698E8AFFF4
12
Ny fonenako nesorina ka nafindra tsy ho amiko, tahaka ny lain'ny mpiandry ondry; Ahoroko tahaka ny tenona ny androko, fa efa hotapahiny ho afaka amin'ny haraka izy; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CCE4135-391C-460D-8959-C6571037CBDE
13
Nampionona ny foko aho mandra-pahamarain'ny andro; Tahaka ny fanapatapaky ny liona no anapatapahany ny taolako rehetra; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E143F90-990C-48CA-AC8B-83012C6BB635
14
Ka dia mikoraraika tahaka ny sidintsidina sy ny vano aho. Ary mitolokoloko tahaka ny voromailala. Pahina ny masoko noho ny faniriako ho any amin'ny avo; Jehovah ô, ory loatra aho, aoka hiantoka ahy Hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86E1A91F-6DD4-493D-9641-A3C2886EA3A9
15
Ahoana no holazaiko? Sady nilaza tamiko Izy no nahatanteraka koa; Handeha mijoretra aho amin'ny taonako srehetra noho* ny fangidian'ny aiko. [Na: rehefa afaka]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9559EF57-A7A3-46BD-AA1C-FF427D950788
16
Tompo ô, izany no iveloman'ny olona, ary amin'izany tokoa no iainan'ny fanahiko, ka dia mahasitrana sy mahavelona ahy Hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CB70E29-E89B-4577-B0C7-642B9EFA555C
17
Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin'ny lavaka fahalevonana; Fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73262D25-1C28-4473-A522-CA31425D93FB
18
Fa ny fiainan-tsi-hita* tsy mba mahasaotra Anao, ny fahafatesana tsy mahadera Anao; Fa izay midina any an-davaka dia tsy mahazo manantena ny fahamarinanao. [Heb. Sheola]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9ED5AFFF-7247-4548-8257-E72357177A07
19
Ny velona dia ny velona ihany no hidera Anao, tahaka izao izaho anio izao; Ny ray hampahalala ny zanany ny fahamarinanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F73ECD66-EF6D-4BA6-9F44-CBE493D39137
20
Jehovah efa vonona hamonjy Ahy, Ka dia hitendry ny lokangako ao an-tranon'i Jehovah izahay Amin'ny andro rehetra iainanay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B73CCC5E-77CE-448C-91B6-1C69B11A0838
21
Ary hoy Isaia: Makà ampempan'aviavy, ary apetaho amin'ny vay izany, mba ho sitrana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B135E92-C369-44FB-A4C8-9D15DC28DA50
22
Ary hoy Hezekia: Inona no famantarana fa hiakatra ao an-tranon'i Jehovah aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1FE24420-F2D8-4B37-8606-2429494936DF
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany