Andininy
Protestanta Malagasy
1
Tamin'izany andro izany no nampitondran'i Merodaka-baladana, zanak'i Baladana, mpanjakan'i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an'i Hezekia; fa efa reny fa narary izy ka sitrana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|567D7A11-CD80-4B15-945D-69D24CCF0955
2
Ary dia faly Hezekia noho izany ka nampiseho azy ny trano fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin'izay rehetra tao amin'ny firaketany; tsy nisy zavatra tsy nasehon'i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin'ny fanjakany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A3DDA3B-C1B9-4173-AD0D-59B2454A3F03
3
Dia nankany amin'i Hezekia mpanjaka mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain'ireo olona ireo, ary avy taiza nihaviany hankaty aminao? Ary hoy Hezekia: Nankaty amiko avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|822036B1-4DB3-4237-8E70-3A5064DC5AAE
4
Dia hoy izy: Ka inona avy anefa no hitany tato ananonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra an-tranoko dia efa hitany avokoa; tsy nisy zavatra tsy nasehoko azy ny ao amin'ny firaketako rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|568112C0-72F3-472B-A4F6-F0071795F8B7
5
Ary hoy Isaia tamin'i Hezekia: Henoy ny tenin'i Jehovah, Tompon'ny maro:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34F6BE0F-995B-44AF-B657-D5EE3B5E0BD6
6
Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin'ny razanao ka voatahiry mandraka androany; eny, tsy hisy shijanona inona na inona, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE9809D7-0FF2-4D14-9DB1-51745CBE90A5
7
Ary na dia terakao aza dia hisy ho entiny koa, ka ho tandonaka* any amin'ny lapan'ny mpanjakan'i Babylona ireo. [Heb. ionoka]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6DD843F8-E75B-429E-B25E-95078C7224D3
8
Dia hoy Hezekia tamin'Isaia: Tsara ny tenin'i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, hisy fiadanana amin'ny androko handry fahizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0D972BC-80A4-45AA-8D01-7FFB7F61A496
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany