Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ampionony, ampionony ny oloko, Hoy Andriamanitrareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|085A8109-88E6-4059-B869-D7AEF4AD1F7D
2
Mitoria teny soa mahafaly amin'i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny*, sady voavela ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin'ny tànan'i Jehovah izy ho valin'ny fahotana rehetra nataony. [Na: tapitra ny fe-taom-panompoany]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD427765-0553-4803-B903-F43565EE68DF
3
Injany! misy feon'ny miantso hoe: Manamboara lalana any an-efitra ho an'i Jehovah, manaova lalambe any an-tany foana ho an'Andriamanitsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CD25116-10B5-4BB6-86E1-679C43DBE138
4
Aoka hasandratra ny lohasaha rehetra, Aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra; Aoka ny be havoana ho tonga lembalemba, ary ny tany saro-dalana ho tonga lemaka;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|935FF3CC-26D0-43BA-B1A2-F5BAEAAB2E51
5
Dia hiseho ny voninahitr'i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany; Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BBDC23C-98C9-4CBB-A285-D7B1B8AD24F3
6
Injany! misy miteny hoe: Miantsoa. Ary hoy izy: Ahoana anefa no antso hataoko? Ahitra ny nofo rehetra, ary ny hatsaran-tarehiny rehetra dia tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9B8F134-535B-4791-87B0-10CC5C14252B
7
Maina ny ahitra, malazo ny voniny, satria tsofin'ny fofonain'i Jehovah ireny; Eny, ahitra tokoa ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ADB20CB4-DB54-4874-BD45-AF46D4772A6A
8
Maina ny ahitra, malazo ny voniny; Fa ny tenin'Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|270CE878-1CF7-4FB5-A71C-709EB4EF01A3
9
Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô*, miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema izay mitondra teny soa mahafaly ô*, Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin'ny tanànan'ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo! [*Na: Ry ilay mitondra teny soa mahafaly ho an'i Ziona][**Na: Ry ilay mitondra teny soa mahafaly ho an'i Jerosalema]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1A90C60-71B8-4251-90B9-141F8B2E6299
10
Indro, Jehovah Tompo ho avy amin'ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin'asa homeny dia eo anoloany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6871F4D4-64BA-4C3A-A302-F952AC273BAF
11
Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak'ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95BE64A7-1C1E-4390-8D8B-7C8CD3377795
12
Iza no namatra ny rano teo am-pelatanany, ary nanjehy ny lanitra tamin'ny zehiny, sy namory ny vovo-tany tamin'ny vata*, ary nandanja ny tendrombohitra tamin'ny fandanjana sy ny havoana tamin'ny mizana? [Heb. ampahatelon'ny efaha]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA5FFF7E-6464-4443-9EB4-E340B21516EE
13
Iza no nanome hevitra ny Fanahin'i Jehovah, ary iza no mpanolo-tsaina nampianatra Azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|213A8A28-63A2-408B-9E3A-FBC0780EA7D7
14
Iza no nidinihany ka nanome saina Azy sy nanoro Azy ny lalan'ny fitsarana ary nampianatra fahalalana Azy sy nampahafantatra Azy ny lalan'ny fahendrena ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E94215CA-FF1B-4542-B700-9AD07A791A32
15
Indro, ny firenena dia tahaka ny rano indray mitete avy amin'ny siny ary atao ho tahaka ny vovoka madiniKa amin'ny mizana; Indro, ny nosy dia tsintsininy tahaka ny zavatra bitika indrindra*. [Na: tahaka ny vovoka madinika paohin'ny rivotra]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|382FCC75-D3B7-43D7-85BC-B08D1BC872CF
16
Ary Libanona aza tsy ampy hataina, ary ny biby ao tsy ampy ho fanatitra dorana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CC1AB4F-18C6-433A-8350-C34A69ADD39E
17
Ny firenena rehetra dia tahaka ny tsinontsinona eo anatrehany, ka ataony ho naman'ny tsinontsinona sy ny zava-poana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|111C8DD2-ADE3-4FE7-91F3-6F13131A795C
18
Koa ampitovinareo amin'iza moa Andriamanitra ? Ary endrik'inona no ampanahafinareo Azy ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48B39027-A0E1-4D8F-81E9-23794365142A
19
Ny mpiasa manao sarin-javatra an-idina, ary ny mpanefy volamena mametaka takela-bolamena aminy sy manao tongalika volafotsy an-idina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D588773-7B07-447E-A8B8-A45F8466EC31
20
Izay malahelo ka tsy manan-katerina dia mifidy hazo tsy mety ho lô ary mitady mpiasa mahay zavatra mba hamorona sarin-javatra voasokitra izay tsy hihezongozona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3302A5A0-C8A0-4C8F-9A28-8448C92652F3
21
Tsy fantatrareo va? Tsy efa renareo va? Tsy efa nambara taminareo fony taloha va? Tsy efa azonareo an-tsaina va ny amin'ny fanorenan'ny tany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C05908B0-BA39-4305-B843-85FC9B37F97F
22
Izy no mipetraka amin'ny habakabaka ambonin'ny tany, ary ny mponina ety dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify kararavina ary manenjana azy tahaka ny lay hitoerana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E880561A-1C68-45F3-BAE7-5DD4AE1EC123
23
Izy no mahatsinontsinona ny mpanapaka sy mahatonga ny mpitsara amin'ny tany ho tahaka ny zava-poana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3272FD0A-3E64-4E78-8EB9-2604BCF1C9CE
24
Vao nambolena vetivety ireo, vao nafafy ireo, vao namaka tao amin'ny tany ny fotony, dia notsofin'Andriamanitra ireo, ka dia nalazo, ary nindaosin'ny tafio-drivotra tahaka ny vodivary izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D162F3ED-621A-4177-920F-7D31472D2718
25
Koa ampitovinareo amin'iza moa Aho, hitahako aminy? Hoy ny Iray Masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|091D0011-CA09-4B2F-9430-888B37A45A25
26
Asandrato ny masonareo, ka mijere; Iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin'ny anarany avy noho ny haben'ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2086E2AC-33F5-4E80-8A9E-208C66042A8F
27
Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza ianao, ry Isiraely ô, hoe: Miafina tsy hitan'i Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan'Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|096D9815-D23D-4110-AB91-A1654E5495E6
28
Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran'ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4913C701-0528-4BC6-80D7-0CE5CBF9EA77
29
Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CA62FF1-08CC-4408-B257-95BFB9DBF387
30
Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|443846F4-493E-47E1-8AED-098EC1873506
31
Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|744CE975-ABEB-4C81-A727-B2948941B61E
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany