Andininy Protestanta Malagasy 12 Iza no namatra ny rano teo am-pelatanany, ary nanjehy ny lanitra tamin'ny zehiny, sy namory ny vovo-tany tamin'ny vata*, ary nandanja ny tendrombohitra tamin'ny fandanjana sy ny havoana tamin'ny mizana? [Heb. ampahatelon'ny efaha] qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA5FFF7E-6464-4443-9EB4-E340B21516EE 13 Iza no nanome hevitra ny Fanahin'i Jehovah, ary iza no mpanolo-tsaina nampianatra Azy? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|213A8A28-63A2-408B-9E3A-FBC0780EA7D7 14 Iza no nidinihany ka nanome saina Azy sy nanoro Azy ny lalan'ny fitsarana ary nampianatra fahalalana Azy sy nampahafantatra Azy ny lalan'ny fahendrena ? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E94215CA-FF1B-4542-B700-9AD07A791A32 15 Indro, ny firenena dia tahaka ny rano indray mitete avy amin'ny siny ary atao ho tahaka ny vovoka madiniKa amin'ny mizana; Indro, ny nosy dia tsintsininy tahaka ny zavatra bitika indrindra*. [Na: tahaka ny vovoka madinika paohin'ny rivotra] qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|382FCC75-D3B7-43D7-85BC-B08D1BC872CF 16 Ary Libanona aza tsy ampy hataina, ary ny biby ao tsy ampy ho fanatitra dorana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CC1AB4F-18C6-433A-8350-C34A69ADD39E 17 Ny firenena rehetra dia tahaka ny tsinontsinona eo anatrehany, ka ataony ho naman'ny tsinontsinona sy ny zava-poana izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|111C8DD2-ADE3-4FE7-91F3-6F13131A795C 18 Koa ampitovinareo amin'iza moa Andriamanitra ? Ary endrik'inona no ampanahafinareo Azy ? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48B39027-A0E1-4D8F-81E9-23794365142A 19 Ny mpiasa manao sarin-javatra an-idina, ary ny mpanefy volamena mametaka takela-bolamena aminy sy manao tongalika volafotsy an-idina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D588773-7B07-447E-A8B8-A45F8466EC31 20 Izay malahelo ka tsy manan-katerina dia mifidy hazo tsy mety ho lô ary mitady mpiasa mahay zavatra mba hamorona sarin-javatra voasokitra izay tsy hihezongozona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3302A5A0-C8A0-4C8F-9A28-8448C92652F3 21 Tsy fantatrareo va? Tsy efa renareo va? Tsy efa nambara taminareo fony taloha va? Tsy efa azonareo an-tsaina va ny amin'ny fanorenan'ny tany? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C05908B0-BA39-4305-B843-85FC9B37F97F 22 Izy no mipetraka amin'ny habakabaka ambonin'ny tany, ary ny mponina ety dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify kararavina ary manenjana azy tahaka ny lay hitoerana; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E880561A-1C68-45F3-BAE7-5DD4AE1EC123 23 Izy no mahatsinontsinona ny mpanapaka sy mahatonga ny mpitsara amin'ny tany ho tahaka ny zava-poana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3272FD0A-3E64-4E78-8EB9-2604BCF1C9CE 24 Vao nambolena vetivety ireo, vao nafafy ireo, vao namaka tao amin'ny tany ny fotony, dia notsofin'Andriamanitra ireo, ka dia nalazo, ary nindaosin'ny tafio-drivotra tahaka ny vodivary izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D162F3ED-621A-4177-920F-7D31472D2718 25 Koa ampitovinareo amin'iza moa Aho, hitahako aminy? Hoy ny Iray Masina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|091D0011-CA09-4B2F-9430-888B37A45A25 26 Asandrato ny masonareo, ka mijere; Iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin'ny anarany avy noho ny haben'ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2086E2AC-33F5-4E80-8A9E-208C66042A8F 27 Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza ianao, ry Isiraely ô, hoe: Miafina tsy hitan'i Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan'Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|096D9815-D23D-4110-AB91-A1654E5495E6 28 Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran'ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4913C701-0528-4BC6-80D7-0CE5CBF9EA77 29 Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CA62FF1-08CC-4408-B257-95BFB9DBF387 30 Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|443846F4-493E-47E1-8AED-098EC1873506 31 Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|744CE975-ABEB-4C81-A727-B2948941B61E
|