Andininy
Protestanta Malagasy
21
Tsy fantatrareo va? Tsy efa renareo va? Tsy efa nambara taminareo fony taloha va? Tsy efa azonareo an-tsaina va ny amin'ny fanorenan'ny tany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C05908B0-BA39-4305-B843-85FC9B37F97F
22
Izy no mipetraka amin'ny habakabaka ambonin'ny tany, ary ny mponina ety dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify kararavina ary manenjana azy tahaka ny lay hitoerana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E880561A-1C68-45F3-BAE7-5DD4AE1EC123
23
Izy no mahatsinontsinona ny mpanapaka sy mahatonga ny mpitsara amin'ny tany ho tahaka ny zava-poana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3272FD0A-3E64-4E78-8EB9-2604BCF1C9CE
24
Vao nambolena vetivety ireo, vao nafafy ireo, vao namaka tao amin'ny tany ny fotony, dia notsofin'Andriamanitra ireo, ka dia nalazo, ary nindaosin'ny tafio-drivotra tahaka ny vodivary izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D162F3ED-621A-4177-920F-7D31472D2718
25
Koa ampitovinareo amin'iza moa Aho, hitahako aminy? Hoy ny Iray Masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|091D0011-CA09-4B2F-9430-888B37A45A25
26
Asandrato ny masonareo, ka mijere; Iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin'ny anarany avy noho ny haben'ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2086E2AC-33F5-4E80-8A9E-208C66042A8F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany