Andininy Protestanta Malagasy 21 Alaharo eto ny teninareo, hoy Jehovah; Asehoy izay mahamarina ny anareo*, hoy ny Mpanjakan'i Jakoba.[Heb. fiarovana mafy] 22 Aoka hampanatoniny ka hasehony amintsika izay zavatra mbola ho avy; Ambarao izay zavatra taloha*, mba hoheverinay ka ho fantatray izay hiafarany, na ilazao izay zavatra ho avy izahay. [Heb. zavatra voalohany] 23 Ambarao anay izay zavatra ho avy rahatrizay, mba ho fantatray fa andriamanitra ianareo; Eny, manaova soa, na manaova ratsy, mba hitaha isika, ka samy hahita.
|