Andininy
Protestanta Malagasy
21
Alaharo eto ny teninareo, hoy Jehovah; Asehoy izay mahamarina ny anareo*, hoy ny Mpanjakan'i Jakoba.[Heb. fiarovana mafy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E1F6D71-F31D-447C-9CBE-9074C7750500
22
Aoka hampanatoniny ka hasehony amintsika izay zavatra mbola ho avy; Ambarao izay zavatra taloha*, mba hoheverinay ka ho fantatray izay hiafarany, na ilazao izay zavatra ho avy izahay. [Heb. zavatra voalohany]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|363F0F32-3D0C-497D-8A4D-B925AFB16F02
23
Ambarao anay izay zavatra ho avy rahatrizay, mba ho fantatray fa andriamanitra ianareo; Eny, manaova soa, na manaova ratsy, mba hitaha isika, ka samy hahita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A85BA390-0F6B-4F68-8B27-B0BF629B708A
24
Indro, ianareo dia naman'ny tsinontsinona, ary ny asanareo dia naman'ny zava-poana; vetaveta izay mifidy anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBA0B7F0-5DFD-4A47-B7D4-D404292C4D0D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany