Andininy
Protestanta Malagasy
8
Fa ianao kosa, ry Isiraely mpanompoko, sy Jakoba, izay nofidiko, Taranak'i Abrahama sakaizako,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E2ABFB7-6C19-48D0-BF4E-29520AA98A80
9
Hianao izay efa notantanako avy tany amin'ny faran'ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hoe: Mpanompoko ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|361E12F1-31BC-46B6-858B-1B809953DA73
10
Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD694CE5-5338-4CA6-92FE-0320C3D78722
11
Indro, ho menatra sy hangaihay izay rehetra tezitra aminao, ho tsinontsinona izy; Eny, ho levona izay miady aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04EDCED2-DE13-48C9-AA5D-2674DAB661BA
12
Hotadiavinao izay mifanditra aminao, fa tsy ho hitanao, ary ho tahaka ny tsinontsinona sy ny zava-poana izay miady aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91BCDB32-1963-49FD-A8B3-5AAF883D9627
13
Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tananao ankavanana, dia ilay manao aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D27D3E18-281C-410D-B83C-B2F2EF1B0D2F
14
Aza matahotra ianao, ry Jakoba kankana, dia ianareo, ry Isiraely olom-bitsy, Izaho no hamonjy anao, hoy Jehovah, Ary ny Iray Masin'ny Isiraely no Mpanavotra anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C5AE5BB-F63F-4604-882C-D813CBBF7BAB
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany