Andininy
Protestanta Malagasy
1
Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko Napetrako tao aminy ny Fanahiko; Hamoaka fitsipika ho an'ny jentilisa Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A333F64C-B81C-4478-8ABC-112831434935
2
Tsy hiantsoantso Izy, na hanandratra ny feony, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2FE1627-86BC-4EBD-A015-D185D9B3FFFA
3
Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona; Hamoaka izay tena rariny tokoa Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61AB2905-895B-4021-81FB-C3AC0D2D3F8F
4
Tsy ho reraka na ho kivy Izy, Mandra-panoriny ny rariny amin'ny tany, ary ny nosy hiandry ny lalàny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87A80AD8-70A4-4512-BB59-687B94673B3B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany