Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain'i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64A72229-EDED-48A7-A39E-07A113D1FEEC
2
Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7455ED2-9DA1-4A99-A5D8-0CD5757CFB5A
3
Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Dia ny Iray Masin'ny Isiraely, Mpamonjy anao; Omeko ho avotrao Egypta, ary Etiopia sy Seba ho solonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3C277A8-3100-4F15-8C7C-7F14C505DE4E
4
Satria malala eo imasoko ianao, eny, be voninahitra ianao sady tiako, dia olona no omeko ho solonao, ary firenena ho solon'ny ainao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F11E9F1B-46B1-486C-B9C0-61AE25DCD2D2
5
Aza mahatahotra, fa momba anao Aho; Hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|453B4926-3DDA-4CA2-9EBB-8E2B68F2C8D0
6
Ny avaratra hilazako hoe: Avoahy, ary ny atsimo hoe: Aza hazonina; Alao ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin'ny faran'ny tany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C7E4C17-22A9-4C2F-9792-E52C59779A5B
7
Dia izay rehetra antsoina amin'ny anarako sady nohariko ho voninahitro, dia izay noforoniko sy nataoko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3E0323B-2144-4878-B814-EFABD513425B
8
Ento mivoaka* ny olona jamba mana-maso sy ny marenina manan-tsofina. [Na: Entiko mivoaka]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B4B8570-E2D4-416B-AB9D-3F5A1EF8179F
9
Aoka hiangona* ny firenena rehetra, Ary aoka hivory** ny olombelona; Iza aminareo no mahalaza izany? Aoka hambarany amintsika ny fahiny taloha; Aoka ho entiny ny vavolombelony hahamarina azy; Ary aoka hihaino ireo ka hiaiky hoe: Marina izany. [*Na: Miangona][**Na: mivory]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15E54ABE-78EC-4C3C-89FA-6BBDE40A9239
10
Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko, Mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy; Talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9505BBE-8150-452A-82D2-77012067032E
11
Izaho dia Izaho ihany no Jehovah Ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB8F854B-7B4D-4380-8F21-F3A389380ECC
12
Izaho efa nilaza sy namonjy ary nanambara, ary tsy nisy hafa tao aminareo; Dia ianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, ary Izaho no Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D6F6A00-B403-40BE-B3EF-4AE29F1F7C3F
13
Eny, hatramin'izary andro izany* Izaho no Izy, Ary tsy misy maharombaka amin'ny tanako; Miasa Aho, ka iza moa no mahasakana izany? [Na: Hatrizay nisian'ny andro]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BED71A54-1A1C-4E31-B863-D0D402B4114E
14
Izao no lazain'i Jehovah, Mpanavotra anareo, dia ny Iray Masin'ny Isiraely: Noho ny aminareo no nanirahako tany Babylona, ary hampidiniko izy rehetra mbamin*'ny Kaldeana ho mpandositra ho any amin'ny sambo izay efa nifaliany.[Na: dia]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9BB3AD2D-31C3-4750-9F71-B7D710CFAD47
15
Izaho no Jehovah, Iray Masinareo, Mpamorona ny Isiraely sady Mpanjakanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DF4DCCA-983B-4CE7-849A-90F607F9A130
16
Izao no lazain'i Jehovah, Izay manao lalana eny amin'ny ranomasina sy lalan-kaleha eny amin'ny rano manonja,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA48D2A1-4497-4ECF-9AD8-A39DC183719F
17
Izay mamoaka ny kalesy sy ny soavaly, ny miaramila sy ny lehilahy miara-mandry avokoa izy ka tsy hiarina intsony, mitsilopilopy izy, ka dia maty toy ny jiro:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86954FC0-F85D-482D-8B7A-76D5F4FDC3B8
18
Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79E86534-1239-40F5-B932-FFC0CA67E3D2
19
Indro, Izaho efa hanao zava-baovao, koa ankehitriny dia efa miposaka izany tsy hahalala izany va ianareo? eny, any an-efitra no hanaovako lalana ary any amin'ny tany sao no hasiako ony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C4903DA-FFC6-4FB9-AFCE-891EB3DE65B8
20
Dia hanome voninahitra Ahy ny bibi-dia sy ny amboadia* ary ny ostritsa, satria manisy rano any an-efitra sy ony any amin'ny tany lao Aho, Hampisotroana ny oloko, dia ilay voafidiko. [Na: jakala]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1283E6D2-5861-4CB4-B81E-95A507E21E11
21
Izao olona noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92D98B18-AD2D-4D08-93E0-D73BE1F85C7E
22
Nefa Izaho tsy mba nantsoinao, ry Jakoba; Fa sasatra amiko ianao*, ry Isiraely. [Na: Na nisasaranao akory]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A200C9EA-DD58-4F9A-A538-22A9335EC414
23
Tsy nitondranao ny zanak'ondry fanatitra doranao Aho, na nomenao voninahitra tamin'ny fanatitrao. Tsy nampahavesatra* anao tamin'ny fanatitra Aho, na nanasatra anao tamin'ny ditin-kazo mani-pofona.[Heb. nampanompo]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFCFD521-C549-4093-A7EB-22432FDD8594
24
Tsy nandoa vola namidy veromanitra ho Ahy ianao, na nahavoky Ahy tamin'ny saboran'ny fanatitrao; Fa nampahavesatra* Ahy tamin'ny fahotanao kosa ianao sy nanasatra Ahy tamin'ny helokao. [Heb. nampanompo]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98F073D1-0DC1-4A39-950B-459017C4F853
25
Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin'ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32AB0CD2-A81C-451D-AD2C-172F6C02AA58
26
Ampahatsiarovy Aho, ka avia isika hifandahatra; Alaharo ary ny teninao, mba hahitana izay mahamarina anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED7439F4-2888-4BF8-A0EF-B1027DE0957B
27
Ny razambenao* voalohany indrindra dia efa nanota, ary ireny mpanalalana aminao efa niodina tamiko, [Heb. rainao]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1348277D-6898-43CE-853A-DE4480045C93
28
Koa izany no nanaovako ny mpanapaka masina ho tsy masina, sy nanolorako an'i Jakoba ho fandringana* ary Isiraely ho latsa. [Heb. herema]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8280E37F-5300-4A5C-9B74-301A007335DE
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany