Andininy Protestanta Malagasy 26 Ary mahatô ny tenin'ny mpanompoko* sy mahatanteraka ny saina atolotry ny irako**, ary manao amin'i Jerosalema hoe: Honenana ianao, sy amin'ny tanà nan'ny Joda hoe: Hatsangana ianareo, ka hamboariko izay rava eo, [*Heb. mpanompony][**Heb. irany] 27 Ary milaza amin'ny rano lalina hoe: Tankina, Fa hataoko tankina ny oninao, 28 Ary milaza an'i Kyrosy hoe: Izy no mpiandry ondriko, ka izay sitrako rehetra dia hotanterahiny; Ary izy hanao amin'i Jerosalema hoe: Hatsangana ianao, ary amin'ny tempoly hoe: Haorina indray ny fanorenanao.
|