Andininy
Protestanta Malagasy
1
Mangozohozo Bela, efa miraika Nebo, ny sampiny dia nampitondraina ny biby folahina sy ny biby fiompy; Ny zavatra fitondranareo dia asampy ka tonga enta-mavesatra entin'ireo biby reraka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0FE017BC-F9D0-4BB3-A761-5F098E52DDB2
2
Miraika sy mangozohozo avokoa izy, ka tsy mahavonjy ny entana akory; Fa na dia ny tenany aza dia lasan-ko babo koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76CECF80-78C0-4376-A25C-D2585749694C
3
Mihainoa Ahy, ry taranak'i Jakoba sy izay srehetra amin'ny taranak'Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|159C1DE9-08F1-498E-A6CB-70FFC790E919
4
Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF00AE42-D022-4B08-AFB9-EEF6C9EF1E2B
5
Hampitovinareo amin'iza moa Aho, sy amin'iza no hanoharanareo Ahy ary iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany amiko?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E957C902-416C-446D-B06F-98B3326F1E02
6
Izay mandraraka volamena avy ao an-kitapo sy mandania volafotsy amin'ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra, hiankohofany sy hivavahany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB1C811A-AC33-41B2-BD97-3A0E6F36B7DE
7
Dia betainy ho eny an-tsorony iny ka entiny ary apetrany eo amin'ny fitoerany iny, ka dia mitoetra eo; Tsy mahay miala eo amin'ny fitoerany iny; ary na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay mamaly izy, na mahavonjy azy amin'ny fahoriany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBD1C519-7C85-419A-93C2-B74898996990
8
Tsarovy izany ka mahereza* ianareo eritrereto tsara izany, ry mpiodina. [Na: misehoa ho lehilahy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D6B805C-4CFD-4080-ABEB-42974C3FD95C
9
Tsarovy ny zavatra taloha izay efa lasa ela; Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B196FB2D-20FF-4C61-A964-9258AE8986E1
10
Izay manambara ny farany hatramin'ny voalohany, ary nanambara hatramin'ny ela izay tsy mbola natao akory, dia ilay manao hoe: Ho tô ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBF28225-D616-410F-AE9B-E715932C3BF5
11
Izay miantso vorona mpihaza avy any atsinanana, dia lehilahy avy any an-tany lavitra hahefa ny fikasako; sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa, sady nikasa Aho no hahefa azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2657D94E-0DB4-449E-919C-B61F35041777
12
Mihainoa Ahy ianareo madi-po izay lavitra ny fahamarinana:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C63BB276-A72C-4829-85EE-969C8B205E62
13
Hampanatoniko ny fahamarinako, ka tsy ho lavitra intsony; ary ny famonjeko tsy hitaredretra; fa hametraka famonjena ao Ziona Aho sy ny voninahitro ho an'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|729ABA01-0720-43BD-8150-DFC04C512175
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany