Andininy
Protestanta Malagasy
1
Aoka aho hihira ny amin*'ny Malalako, dia hiran'ny Malalako ny amin'ny tanim-boalobony. Ny Malalako nanana tanim-boaloboka tao an-kavoana lonaka;[Na: ho an']
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F50F01C-6F56-4345-A537-411C48BE0F50
2
Dia nasainy io, ka nesoriny ny vato, Ary novoleny karazam-boaloboka tsara, Sady nanao tilikambo teo afovoany Izy Ary nandavaka famiazam-boaloboka teo; Dia nanantena azy hamoa voaloboka tsara Izy, Kanjo namoa voalobo-dratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|184B3CBF-2BC3-4C8B-94FB-FC24D407A35B
3
Koa noho izany, ry mponina any Jerosalema sy ry lehilahy amin'ny Joda, Masìna ianareo, tsarao Aho sy ny tanim-boaloboko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70ED0BCB-38CC-4968-88CA-0608E9E1B124
4
Inona moa no mbola azo natao tamin'ny tanim-boaloboko, Ka tsy efa nataoko taminy? Koa raha nanantena azy hamoa voaloboka tsara Aho, Nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2069646C-17C8-4682-A669-F8D2F7A8B3A4
5
Koa noho izany dia aoka hambarako anareo izay hataoko amin'ny tanim-boaloboko: Hesoriko ny fefy tsilony, ka dia holevonina izy; Ary harodako ny fefy vatony, ka dia ho voahitsakitsaka izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|653E651B-5FFD-4C76-AF61-C874D8EF8826
6
Ary hataoko simba dia simba izy; Tsy hohetezana ny sakeli-boalobony, ary tsy hohevoina izy, Fa ho rakotry ny hery sy ny tsilo; Ary hodidiako ny rahona* tsy hampilatsaka ranonorana aminy. [Heb. rahona matevina]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|836E8635-6824-4456-B8FC-E4A3EE6F8847
7
Fa ny taranak'i Isiraely no tanim-boalobok'i Jehovah, Tompon'ny maro, Ary ny lehilahy amin'ny Joda no voly tiany; Dia nanantena fitsarana marina Izy, kanjo fandatsahan-drà*; Niandry fahamarinana Izy, kanjo, indro, fitarainana.[Na: fampahoriana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2961390A-1080-4233-B052-96385D344352
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany