Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izao no lazain'i Jehovah: Aiza izay taratasy fisaoram-bady nisaorako an-dreninareo? Ary iza amin'izay manan-trosa amiko no nivarotako anareo? Tsia, fa noho ny helokareo ihany no nivarotana anareo, ary noho ny fahadisoanareo ihany no nisaorana an-dreninareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD5803E4-19A6-4ABB-8D62-9101ECAC188F
2
Nahoana no tsy nisy olona, fony tonga Aho, ary tsy nisy namaly, fony niantso Aho? Moa fohy tokoa va ny tanako ka tsy mahavonjy, ary moa tsy manan-kery ho enti-manafaka va Aho? Indro, amin'ny teny mafy ataoko no andritako ny ranomasina sy anaovako ny ony ho efitra; ary maimbo ny hazandranony noho ny tsi-fisian'ny rano sady matin-ketaheta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99981883-2E20-4F3E-92E6-2B55BFC7696E
3
Tafiako fahamaintisana ny lanitra, ary lamba fisaonana no ataoko fisaronany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE5AACA2-7882-4FF9-98CE-16EBA0BF83AA
4
Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan'ny efa mahay*, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka; ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay* [Heb.efa nampianarina]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD07937F-B7BD-4669-9BED-7873551E87FA
5
Jehovah Tompo nanokatra ny sofiko, ary Izaho tsy naditra na nihemotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C76FA937-D84E-4916-9BFF-66F8C24A293F
6
Ny lamosiko natolotro ho amin'ny mpikapoka, ary ny takolako ho amin'izay manongobaoka; ny tavako tsy nafeniko tamin'ny henatra sy ny rora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E32A8CC4-EFB2-4537-851A-55A49EA62317
7
Fa Jehovah Tompo no hamonjy Ahy, ka dia tsy resin-kenatra Aho; Ary efa nohamafisiko ho tahaka ny afovato ny tavako, ka fantatro fa tsy ho menatra Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFB8F1F6-C308-48B4-8056-A4BB2D47CBE2
8
Efa akaiky Izay manamarina Ahy: Iza no hiady amiko? Andeha hiara-mitsangana isika; iza no manana ady amiko? Aoka izy ho avy amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9BA704A-7B38-44E0-953D-C2B28BF0E87E
9
Indro, Jehovah Tompo no hamonjy ahy; koa iza no hanameloka ahy? Indro, izy rehetra ho tonga tahaka ny lamba mangarahara, ho lanin'ny kalalao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A17BC364-28ED-4972-8F54-54437FF2EB96
10
Iza aminareo no matahotra an'i Jehovah ka mihaino ny feon'ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin'ny maizina ka tsy manana fahazavana*, aoka izy hatoky ny anaran'i Jehovah sy hiankina amin'Andriamaniny. [Na: Na dia mandeha amin'ny maizina aza izy ka tsy misy famirapiratana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F791F8F-C7FF-4D7E-AA04-A16BDD2B46FB
11
He! ianareo rehetra izay mampirehitra afo sy mifehy kilalaon'afo manodidina anareo, mandehana amin'ny lelafonareo sy amin'ny zana-tsipìka misy afo, izay narehitrareo. Izao no hanjo anareo avy amin'ny tanako: Handry amin'ny fahoriana ianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC883FD7-4EA1-4411-8DB4-80C9B111EEE4
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany