Andininy
Protestanta Malagasy
1
Mihanoa Ahy, ianareo izay miezaka mitady fahamarinana, dia izay mitady an'i Jehovah: Tsarovy* ny vatolampy izay nakana anareo sy ny ati-lavaka izay nihadiana anareo. [Heb. Jereo]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9600B40-329B-4559-841D-E6682AC25609
2
Eny, tsarovy* Abrahama rainareo sy Saraha, izay niteraka anareo; fa fony mbola tokana izy, dia nantsoiko sy notahiko ary nohamaroiko. [Heb. Jereo]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7ABE7C56-8C07-4B94-B92F-E7DDBF0969A2
3
Fa Jehovah mampionona an'i Ziona; Eny, mampionona izay rava rehetra ao Izy Ka manao ny efitra ao ho tahaka an'i Edena. Ary ny tany foana ao ho tahaka ny sahan'i Jehovah; Hafaliana sy haravoana no hita ao mbamin'ny fisaorana sy ny feo fiderana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C162EC2-25F0-4C03-A158-3B4A819D854A
4
Mihainea Ahy, ry vahoakako, ary atongilano amiko ny sofinareo, ry oloko; fa hisy lalàna hivoaka avy amiko, ary ny fitsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9786A9E2-8788-4849-AFA6-A1CFF3BB1457
5
Akaiky ny fahamarinako, efa nivoaka ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara ny firenena; izaho no hantenain'ny nosy, ary ny sandriko no andrasany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1719E16F-43E9-4182-9B71-7A089DDEAE1D
6
Andrandrao ho amin'ny lanitra ny masonareo, ary jereo ny tany ambany; fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka, ary tany ho tahaky ny lamba mangarahara, ary ny mponina ao dia ho faty tampoka*; fa ny famonjena kosa haharitra mandrakizay, ary ny fahamarinako tsy mba ho rava.[Na: tahaka ny fahafatin'ny moka]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7485759-9AAB-4595-899A-62C23AE0F5D0
7
Mihainoa ahy, ianareo izay mahalala ny fahamarinana, dia ianao, ry firenena izay manana ny lalàko ao am-ponao; aza matahotra ny latsa ataon'ny zanak'olombelona, na manahy noho ny faharatsiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3AE26AA6-4A41-4B41-A731-3574974E8171
8
Fa ny kalalao hihinana azy tahaka ny fihinan-damba, ary lolo fotsy hihinana azy tahaka ny fihinam-bolon'ondry; fa ny fahamarinako haharitra mandrakizay, ary famonjena hihatra amin'ny taranaka fara-mandimby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CFE3E7E-F02C-4C5B-A2A3-A90DFB7B7F86
9
Mifohaza, mifohaza, ry sandrin'i Jehovah, mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin'ny andro fahiny! dia tamin'ny taranaka lasa ela. Tsy Hianao va Ilay nitetitetika an-dRahaba sy nitomboka ny dragona*? [Na: mamba; izahao Ezek. xxix. 3]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11907F6E-A251-4B97-8B79-9D2DEC816C3F
10
Tsy Hianao va Ilay nahamaina ny ranomasina, dia ny rano ao amin'ny lalina indrindra, ka nanao ny ranomasina lalina ho lalana halehan'ny navotana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19CBC9E3-3D85-4BAB-9512-ECB0DD89080D
11
Eny, ny navotan'i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50369D3B-C4B6-4EF9-B462-272B4C9ADA7E
12
Izaho dia Izaho no mpampionona anareo, koa nahoana ianao no dia matahotra ny zanak'olombelona mety maty sy ny zanak'olona hatao tahaka ny ahitra
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3DD5859C-CD77-4B2F-B368-996B2AC30CFA
13
ka manadino an'i Jehovah, Mpanao anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, sady matahotra lalandava mandritra ny andro ianao noho ny fahatezeran'ny mpampahory, raha mikendry hamono izy? Fa aiza intsony izay fahatezeran'ny mpampahory?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82B745A3-711A-49B2-AC84-1D5779D05D56
14
Izay mitanondrika dia ho afaka faingana; Tsy ho faty havarina ao an-davaka izy ary tsy ho diso hanina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19787469-A7A3-4F75-B53D-779E4C1606F5
15
Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany*; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarako**. [*Na: Izay mampitsahatra ny rano, raha mirohondrohona ny onjany] [**Heb. anarany]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53810620-9AB0-4DCB-9DAA-396D684893B5
16
Ary nataoko eo am-bavanao ny teniko, ary ao amin'ny aloky ny tanako no nanaronako anao, hanao* ny lanitra sy hanorina ny tany Aho ary hanao an'i Ziona hoe: Oloko ianao. [Heb. Hamboly]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE98C069-4865-439C-9BB1-CC74E07DB392
17
Mifohaza, mifohaza, mitsangana, ry Jerosalema ô, izay efa nisotro ny kapoaky ny fahatezerana avy tamin'ny tànan'i Jehovah; eny, ny kapoaka gobilia mampiraikiraiky dia efa nisotroanao, ka notrohinao mbamin'ny faikany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC37C21D-008C-493D-B89F-318DE121E3BA
18
Tsy misy mitondra azy ny zananilahy rehetra izay naterany; ary tsy misy mitantana azy ny zananilahy rehetra izay notezainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42A518E0-5478-497C-B761-E9562C4BA98C
19
Izao zavatra roa Izao no hanjo anao (Iza no hanony ny alahelonao?): Fandravana sy fandringanana ary mosary sy sabatra, koa hataoko ahoana no fampionona anao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ECDCDC95-C527-430D-8CA4-7654CF815279
20
Ny zanakao-lahy efa reraka, ka miapokapoka eny an-joron-dalambe rehetra eny izy, tahaka ny diera ao anatin'ny fandrika harato eny, tahaka ny olona rakotry ny fahatezeran'i Jehovah sy ny teny mafy ataon'Andriamanitrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08C33382-6764-485E-8956-531529955938
21
Koa mihainoa izao, ianao ry ilay ory sady mamo tsy amin-divay:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60A78E8F-3D43-4336-B01C-2A7F7E9D903D
22
Izao no lazain'i Jehovah Tomponao, dia Andriamanitrao, Izay mandaha-teny ho an'ny olony: Indro, esoriko eny an-tananao ny kapoaka mampiraikiraiky, dia ny kapoaka gobilian'ny fahatezerako; Tsy hisotroanao intsony iny,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AAD52BBF-5E56-429E-B012-C089D1F27C03
23
Fa hataoko eo an-tànan'izay mampahory anao kosa, dia izay efa nilaza taminao hoe: Miankohofa mba hohitsahinay, ka dia nataonao ho tahaka ny tany ny tenanao sy ho tahaka ny lalambe ho an'izay mandeha eo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD9F1E07-73D9-4208-9BD0-9325EA66D228
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany