Andininy
Protestanta Malagasy
1
Mihobia, ry momba, ianao izay tsy niteraka, eny, velomy ny hoby, ka manandrata feo, ianao izay tsy mba nihetsi-jaza; fa ny zanaky ny mpitondra tena dia maro noho ny zanaky ny manambady, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2BACDA1F-CD15-4B75-A030-84C40579881C
2
Halalaho ny itoeran'ny lainao, ary aoka hohenjanina ny ambain-dainao, ka aza avela hisy hiketrona; halavao ny kofehinao, ary aoreno mafy ny tsima-dainao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C151BA56-A8C7-44E5-AD13-3A44B2E0E665
3
Fa hitatra any amin'ny ankavanana sy any amin'ny ankavia ianao, ary ny taranakao hahazo ny jentilisa, ka dia hasiany mponina ny tanĂ na lao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF946712-4C59-417E-B967-5C32DFE2261C
4
Aza matahotra, fa tsy ho menatra ianao; ary aza mangaihay, fa tsy havela ho afa-baraka ianao; fa ho hadinonao ny henatry ny fahatanoranao, ary tsy ho tsaroanao intsony ny tondromasonao fony mpitondratena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07D6392E-691A-408D-8F3E-C7B79D23BF87
5
Fa ny Mpanao anao no Vadinao, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany; Ary ny Iray Masin'ny Isiraely no Mpanavotra anao, Andriamanitry ny tany rehetra no anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39A90D89-377C-416B-8AD0-118AF8D8B7C5
6
Fa Jehovah efa nampody* anao, izay tahaka ny vady efa nafoy ka ory am-panahy, ary tahaka ny vady efa novadina hatry ny fony mbola tanora, fa efa napetraka, hoy Andriamanitrao. [Heb.niantso]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE2FC80B-7F3B-4003-BB51-8C5EE1F3C8B6
7
Indray mipi-maso monja no nahafoizako anao; fa amin'ny indrafo lehibe kosa no ampodiako anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D42C3184-D7B4-4AB2-AB01-0C17F43E604F
8
Tamin'ny firehetan'ny fahatezerako no nanafenako ny tavako taminao indray mipi-maso monja, fa amin'ny famindram-po mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy Jehovah, Mpanavotra anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F52035E9-D866-464F-971D-7662E28CA92D
9
Fa amiko izany dia tahaka ilay ranon'i Noa, ka toy ny nianianako fa tsy hanafotra ny tany intsony ilay ranon'i Noa. Dia toy izany no ianianako fa tsy ho tezitra aminao na hiteny mafy anao intsony Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|146D5DE7-C152-4167-9A10-5215C11D29EE
10
Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindram-peko, ary tsy hitsoaka ny faneken'ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|819ADF05-F193-487C-BEF2-509191738F4C
11
Hianao, ry ory izay afotofoton'ny tafiodrivotra sady tsy manana fampiononana, indro, Izaho handatsaka ny vatonao amin'ny antimony sy hanorina ny fanambaninao amin'ny safira,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B59A188-767A-44C6-8588-2F772962E75D
12
Hataoko robina ny tilikambo madinikao, sy karbonkolo ny vavahadinao, ary vato soa ny faritaninao manodidina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48A8C225-7A14-4924-A5D9-E6ADF1167DED
13
Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin'i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan'ny zanakao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A5628EE-C1A0-4EB5-ADDB-D772A39E7689
14
Amin'ny fahamarinana no hampiorenana anao; aza manahy* ny fampahoriana, fa tsy hatahotra ianao, na ny fampahatahorana, fa tsy hanakaiky anao izany. [Heb. Manalavira]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0125017-05D1-4164-A8B1-5D690F007F9F
15
Na dia misy miara-mioko aza, dia tsy avy amiko izany; ary na iza na iza miara-mioko hamely anao dia ho tonga hiandany aminao* kosa. [Na: ho lavo noho ny aminao]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A266362B-AD0F-4D7D-9409-BADF914A0CCC
16
Indro, Izaho no nahary ny mpanefy izay mifofotra ny afo amin'ny arina ka mahavita fiasana hanaovany ny asany*; Ary Izaho koa no nahary ny mpandringana mba handringana. [Na: fiadiana araka ny asany]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21D2981C-E09A-4CF4-A0F7-FDBBF4F09A81
17
Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan'ny mpanompon'i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DEC3C0D3-85D9-456C-811B-C333DD461675
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany