Andininy
Protestanta Malagasy
1
Maty ny marina, nefa tsy misy misaina izany, ary alaina ny olona tsara fanahy, nefa tsy misy mihevitra fa ny marina dia alaina tsy ho azon'ny loza hanjo*. [Na: noho ny ratsy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFC6A1AA-6BD2-4BA7-A0F3-5AE0D795BF4B
2
Miditra amin'ny fiadanana izy, mandry amin'ny fandriany avy izy, dia izay rehetra mizotra amin'ny hitsiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05A60515-CFD4-42CE-A849-11065343D9FE
3
Fa ianareo kosa dia mankanesa ety, ry zanaky ny mpanandro, ianareo taranaky ny mpaka vadin'olona sy ny mpijangajanga.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8ED6B59-0630-41EF-824A-4E2C766A3567
4
Iza no ihomehezanareo? Iza no isanasananareo vava sy itrangatranganareo lela? Tsy taranaky ny fiodinana va ianareo sady taranaky ny lainga*? [Na: zanaky ny fijangajangana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8304FF65-E243-4346-9A76-95BFF8082940
5
Dia ianareo izay mahamaimay ny fonareo amin'ny hazo terebinta* eny ambanin'ny hazo maitso rehetra, ka mamono zaza eny an-dohasahan-driaka eny ambanin'ny tsefatsefaky ny harambato. [Na: amin'ny sampy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE3E8902-681C-400A-B166-ECF1608F6E53
6
Ao amin'ny vato kilonjy any an-dohasahan-driaka no anjaranao, eny, ireny ihany no anjaranao; ireny koa no nanidinanao fanatitra aidina sy nanateranao fanatitra hohanina. Hahatsindry fo amin'izany va Aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE2FBE58-3B32-4447-A0C1-9A9B29B088D8
7
Teo an-tampon'ny tendrombohitra avo sy manerinerina no nametrahanao ny fandrianao, ka tany no niakaranao hamono zavatra natao fanatitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7ADD145A-4122-44F6-9037-768D4A47592C
8
Teo ivohon'ny varavarana sy ny tolam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao; fa lavitra Ahy no nitanjahanao sy niakaranao, eny, nataonao malalaka ny fandrianao, ary nanao fanekena ny amin'izay hataon'ireny ianao; tia ny fandriana aminy ianao ka nizaha toerana ho anao*.[Na: Ary nojerenao ny famantarana (Heb. tanana)]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D60E90D-7208-4655-AA6A-798E809C7758
9
Dia nivezivezy nankany amin'ny mpanjaka ianao nitondra* diloilo, ary nataonao betsaka ny zava-manitrao, sady nampandehanina hatrany lavitra any ny irakao, ka nidina** hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita*** ianao. [*Na: nihosotra][**Na: nietry][***Heb. Sheola]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFC45160-C27F-4E35-AEB7-212A6061FA78
10
Noho ny halavitry ny nalehanao dia sasatra ianao, nefa ianao tsy niteny hoe: kivy aho izany! Nahazo aina ny tananao, ka dia tsy nahatsiaro reraka ianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BDDF0434-257B-44C7-AD68-F2CE0E33DEB8
11
Ary iza no nahinao sy natahoranao, no dia nandainga ianao ka tsy nahatsiaro ahy na nandatsaka am-po? Moa tsy efa nangina va Aho hatrizay hatrizay? Ka dia tsy natahotra Ahy ianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2AAC9CE7-1BF8-4804-8E68-37C766032D5D
12
Izaho no hanambara ny fahamarinanao ary ny asanao dia tsy hahasoa anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA8CEC9B-E3FF-4C37-A6BA-0A71D3E21D72
13
Raha mitaraina ianao, dia aoka ireo maronao no hamonjy anao, nefa hongahan'ny rivotra avokoa ireo sy ho lasan'ny tso-drivotra malemilemy aza; Fa izay mialoka amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CB13D83-EE8E-4999-8E81-B6A7523F51DB
14
Ary Izy hilaza hoe: Manandrata, eny, manandrata ka manamboara lalana, esory izay mahatafintohina eny amin'ny alehan'ny oloko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|556578E4-A9D1-45DD-A715-739F29F35845
15
Fa izao no lazain'ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masina no anarany: Ao amin'ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin'ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin'ny manetry tena sy hamelombelona ny fon'ny torotoro fo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EF55F05-C828-4D6C-BB28-13EB31B7921F
16
Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay; Fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny aina* izay nataoko. [Heb. fofonaina]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60D0C88B-18CE-4C4A-A093-C110A8060DD4
17
Ny helony noho ny fieremany no nahatezitra Ahy ka namelezako azy; fa niery Aho, satria tezitra, nefa niodina izy ka mbola nandroso tamin'ny lalana tian'ny fony ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B3D8B95-C566-43DB-A8E4-BB1807B0E4A2
18
Efa nahita ny lalany Aho, nefa hahasitrana azy ihany, dia hitari-dalana azy Aho ka hampody ny fiononana ho aminy sy ho amin'ny malahelo ao aminy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41ED8E96-7F49-436F-B30D-F8658A1B3409
19
Dia Izaho Izay mahary ny vokatry ny molotra: Fiadanana, fiadanana ho an'izay lavitra sy ho an'izay akaiky! hoy Jehovah, ka dia hahasitrana azy Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8AFBA70-C9FB-4466-B90F-68D1E75AAF08
20
Fa ny ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misamboaravoara, eny, tsy mety tafatoetra izy, ka ny ranony dia mamoaka loto sy fotaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2719F4C1-4A77-4DDE-B5D4-463A23337E3A
21
Tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|865B9C8D-A8AA-4476-8A56-77DC576A9F32
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany