Andininy
Protestanta Malagasy
1
Indro, ny tànan'i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|883F73A9-5E8B-4E80-8DE8-F7101BC6CA3B
2
Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9A74042-A8C1-43AB-A1C2-74D8BCD47C1F
3
Fa ny tananareo dia voaloto amin'ny rà, ary ny rantsan-tananareo amin'ny heloka; ny molotrareo miteny lainga, ny lelanareo mibedibedy faharatsiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C043736-D719-477C-98DA-D03660159920
4
Tsy misy mitory olona araka ny fahamarinana, na mandahatra ny rariny araka izay mahatoky; matoky ny tsy izy sy miteny zava-poana izy; Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB67D5A3-A04E-4F26-9442-EC0C2672E583
5
Mikotrika ny atodin'ny menarana izy ary manenona ny tranon-kala; Izay homana ny atodin'ireny dia ho faty, fa raha poritra iny, dia menarana no miporitsaka avy ao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A8E72F1-0A42-48B5-9C1D-BD45345F5AD3
6
Ny tranon-kalany tsy azo atao fitafiana, ary ny asany tsy mahatafy azy; ny asany dia asa fampahoriana, ary asan-doza no eo an-tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A29CC4F8-2B21-419D-B927-3DD395F00610
7
Ny tongony miriotra ho amin'ny ratsy sy mimaona handatsaka rà marina; ny fisainany dia fisainana fampahoriana, fandravana sy fandringanana no eo amin'ny alehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE11D58B-0A78-49AE-BC6F-0476FAAF6AFA
8
Ny lalan'ny fiadanana tsy fantany; ary tsy misy rariny ao amin'ny alehany; lalana miolakolaka ny lalany, ka na iza na iza mandia izany dia tsy mahita fiadanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56917663-7DB4-49CB-BDD8-6408145D6DED
9
Ary noho izany dia lavitra antsika ny rariny, ary ny fahamarinana tsy mahatratra antsika; miandry ny mazava isika, nefa indro ny maizina, ary fahazavana, fa mbola ao amin'ny aizim-pito ihany no andehanantsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56E226C4-5AE2-45B1-AB47-34F7A74513C2
10
Mitsapatsapa manara-drindrina tahaka ny jamba isika eny, mitsapatsapa tahaka ny tsy mana-maso; tafintohina amin'ny mitataovovonana tahaka ny amin'ny maizimaizina isika, ary eo amin'ny matanjaka* dia tahaka ny maty isika. [Na: any an-efitra]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC55FB68-F27A-4855-AB6F-F8D519907244
11
Isika rehetra mampierona tahaka ny bera ary mitoloko tokoa tahaka ny voromailala; miandry ny rariny isika, nefa tsy misy, ary ny famonjena, nefa lavitra antsika izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D54A1940-7DA9-4C0F-AD7B-6B42D7C723D1
12
Fa efa betsaka eo anatrehanao ny fiodinanay, ary ny fahotanay miampanga anay; eny, tsaroanay ny fahadisoanay, ary ny helokay dia fantatray,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFE85CCA-A1B7-478D-BDC4-7CE6B8CFD0A6
13
Dia ny miodina sy ny mandà an'i Jehovah, ary ny miala amin'ny fanarahana an'Andriamanitray, ny miteny fampahoriana sy fikomiana, ary ny mamorona* sy mamoaka teny lainga avy ao am-po. [Heb. torontoronina]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80F3817E-4EBB-4404-9797-40192B4B2625
14
Nahemotra ny rariny, ary mijanon-davitra ny hitsiny; fa tafintohina eny an-kalalahana ny fahamarinana, ary ny hitsim-po tsy mahazo miditra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47295013-5C47-448D-8BC2-D9DBAE5FBB33
15
Eny, tsy eo ny fahamarinana; ary izay mifady ny ratsy dia hoatra ny manolo-tena hobabom'ny sasany. Ary hitan'i Jehovah ny tsi-fisian'ny rariny, ka nataony fa ratsy izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47EB4035-9EF8-4594-BF5B-6A3114A171A7
16
Eny, hitany fa tsy nisy olona, sady talanjona Izy, satria tsy nisy mpanalalana, ka dia ny sandriny ihany no nanao famonjena ho Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE202005-8113-40BC-B196-2A989A2B8CD1
17
Niakanjo fahamarinana tahaka ny akanjo fiarovan-tratra Izy, ary fiarovan-doha famonjena no teo amin'ny lohany; ary niakanjo ny akanjo famaliana Izy eny, nandray ny fahasaro-piaro ho akanjo ivelany Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F41EC4E-D152-46A3-A2E7-CCBEB0AAD2E2
18
Araka ny asa natao no hamaliany, dia fahatezerana mirehitra ho an'ny fahavalony, famaliana ho an'ny rafiny; ary ny nosy dia hovaliany tokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|156D4A66-CA2D-4619-B250-3A8CF62DEFA9
19
Ary hatrany andrefana dia hatahotra ny anaran'i Jehovah ny olona ary ny voninahiny hatramin'ny fiposahan'ny masoandro; ary ny fihaviny dia ho toy ny rano maria, Ampandehanin'ny Fanahin'i Jehovah*.[Na: Fa raha avy toy ny ony ny fahavalo. Ny Fanahin'i Jehovah hanangana faneva hisakana azy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FDAD516-E689-4B4D-A2EF-564AA7F6079F
20
Dia hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona, Ho amin'ny Jakoba izay miala amin'ny fahadisoana, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0332C6D5-8B3B-4574-A9B4-FC698E912BCF
21
Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin'ny vavanao, na amin'ny vavan'ny taranakao, na amin'ny vavan'ny taranaky ny taranakao, hatramin'izao ka ho mandrakizay, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|373307FA-9C35-4DF9-B2A1-C0CCCAFF1119
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany