Andininy
Protestanta Malagasy
1
Tamin'ny taona nahafatesan'i Ozia mpanjaka no nahitako ny Tompo nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana avo sady manerinerina, ary ny ebaneban'akanjony nahafeno ny tempoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7DB2C1B-EE6B-4B77-BFFA-66C423AFC3BA
2
Nisy serafima nitsangana teo amboniny, samy nanana elatra enina avy; ny roa nanaronany ny tavany, ny roa nanaronany ny tongony, ary ny roa nanidinany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F1F84BE-5A93-4F7F-9E16-789DDEDE2340
3
Ary nanandratra ny feony izy ka nifamaly hoe: Masina, masina, masina Jehovah, Tompon'ny maro; Henika ny voninahiny ny tany rehetra*.[Na: Voninahiny avokoa ny eran'ny tany]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9CD9DA5-2B67-452A-A193-C984AC6DD91A
4
Dia nihorohoro ny fanambanin'ny tokonana noho ny feon'ireo nanandratra ny feony; ary feno setroka ny trano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70AB22A1-8CE4-4C25-BA11-0B10362FA0B2
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany